Feno ny efitrano ! Nafana tanteraka ny CCEsca Antanimena, ny sabotsy 9 septambra teo. Tsikaritra teny an-toerana fa nifamatotra akaiky i Niu Raza sy ny mpijery. Hain’ ity tanora mpanakanto manana ny maha izy azy ity rahateo ny nanentana. Nampifanohizany ny lohatenin-kira roa ka zary nanome tantara iainan’ny mpijery. Tao anatin’ny […]
kolon-tsaina
Samoela, Rah-Chiky, Princio : nifampizara sehatra ny andrarezin’ny Vazo miteny
Notanterahina omaly tolakandro, teny Antsahamanitra, ny fampisehoana, « Revy sy Vazo milay », niarahana tamin’i Princio sy Rah-Chiky ary Samoela. Vazo miteny maroloko no nameno ny sehatra, araka ny nampanantenain’ireto mpanakanto ireto. Nampiavaka ny fampisehoana ny fampiaraham-peon’ireto andrarezin’ny Vazo miteny eto Madagasikara ireto. Afa-po ny mpankafy ary manantena ny seho sahala amin’ireny […]
Fampisehoana Mage 4 : hipoka tanteraka ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena
Tafahaona teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny tia sy ny manina, omaly. Samy faly tokoa, ary niaraka nankafy indray ny hiran’ny tarika Mage 4, ireo mpankafy maro. Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fampisehoana goavana niarahana tamin’ny tarika Mage 4. […]
15 Taona aty aoriana: tafaverina indray ny « Revy vazo miteny »
Tanterahina rahampitso tolakandro, eny Antsahamanitra, ny fampisehoana « Revy sy vazo miteny ». Ireo Malagasy kintan’ny vazo miteny, Princio sy Rah Ckiky ary Samoela no hifandimby hampifaly ireo mpankafy vazo, mandritra ity fampisehoana ity. Hampiavaka izany ny fampiaraham-peon’ireto mpanakanto ireto. Vonona ny rehetra hanome ny tsara indrindra, mendrika ny mpankafy vazo miteny, […]
Kolontsaina sy serasera: misokatra ho an’ny rehetra ny Mozean’ny haino vaky jery
Toerana iray ahafahana mitaratra sy mamantatra ny lalana nodiavin’ny haino vaky jery teto Madagasikara ny eny amin’ny Havoria Anosy. “Hamela mamy ho an’ny taninjanaka”. Fanatanterahana io vinan’ny filoham-pirenena io no anisan’ny antony nananganana izao fotodrafitrasa izao. Tontosa omaly, teny Anosy, ny fitokanana ny Havoria: “Auditorium” sy mozean’ny haino vaky jery […]




