Amin’ny maha zanaky ny Fiangonana Loterana Malagasy ny Tanora Masina Itaosy. « Miombom-peo amin’ny Foibe FLM izahay, manentana sy manasa antsika mpino FLM rehetra hiaraka hiombom-bavaka eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny Alahady 10 septambra izao manomboka amin’ny 8ora sy sasany maraina », hoy ny fampitam-baovaon’ny Tanora Masina Itaosy. Amin’ny 2 ora tolakandro, […]
kolon-tsaina
Kitra: lasan’ny Sandratra ny amboara
Tontosa, omaly, teny amin’ny Kianja Santilo Anosizato ny fihaonana baolina kitra teo amin’ny Havàtsa-Upem sy ny Faribolana Sandratra. Norombahin’ny Faribolana Sandratra avokoa ny fandresena. Sokajy lehilahy, resin-dry zareo tamin’ny isa 2 – 1 ny Havàtsa-Upem, raha 1 sy 0 kosa teo amin’ny sokajy vehivavy. « Tratra ny tanjona. Tsy ny […]
Nirhy-Lanto 100 taona: nifarana omaly ny hetsika fampahafantarana
Tontosa omaly, teny amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny fampirantiana fampahafantarana ny momba an’i Nirhy Lanto, poeta. Ny avy eo anivon’ny Tranombokim-pirenena, miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no nikarakara ny hetsika, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taona nahaterahan’ity andrarezin’ny haisoratra malagasy ity. Ny hetsika fampahafantarana ity mpanoratra […]
Lany ny tapakila« Seho miavaka no hoentiko an-tsehatra », hoy i Niu Raza
Mpanakanto manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mandalo eto an-tanindrazana i Niu Raza. Hanatanteraka seho lehibe iray eto an-drenivohitra amin’ny faran’ny herinandro izao. « Tsy mitovy daholo ny fampisehoana ataoko… Hiavaka ity amin’ny sabotsy 9 septambra, ao amin’ny CCEsca Antanimena ity… Misy ny mpandihy. Na izany aza, sady hihira aho […]
Fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto: masoivohon’ny Orange i Big MJ
Tontosa omaly, teny amin’ ny Redland Ankorondrano, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny mpanakanto i Big MJ sy ny Orange Madagascar. Samy hahazo tombony ao anatin’izao fifanarahana izao ny roa tonta. Masoivohon’ity orinasam-pifandraisana ity izany i Big MJ manomboka izao. « Tombony lehibe ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa sahala amin’izao, indrindra amin’ny fanatanterahana ny […]




