Tanterahina anio, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny valandresaka arahina adihevitra, mahakasika ny lamba teo amin’ny kolontsaina malagasy. Mbola tafiditra ao anatin’ny fampirantiana « Lamba forever » ity hetsika ity. Mpahay kanto mampiasa lamba amin’ny haikantony no handray anjara amin’izany valandresaka izany. Mitohy hatrany ny fampirantiana “Lamba forever”. Mandravaka izany eny an-toerana […]
kolon-tsaina
Telo taona ny VKMM : 60 mianadahy nosorana ho mpikabary
Vovonana sy kiadin’ny maha Malagasy (VKMM). Iray amin’ireo mametraka ho laharam-pahamehana ny fikoloana ny kolontsaina malagasy. Sehatra iasany voalohany ao anatin’izany ny kabary. Nisy ny vokatra… Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny fanosorana ho mpikabary ireo 60 mianadahy ao anatin’ny andia « Raitra » sy « Hasina ». Fotoana […]
Miditra ny mpianatra: mila hamboarina ifotony ny tontolon’ny fampianarana
Raha jerena amin’ny tantara voarakitra ao anaty taratasy, efa mahaleo tena i Madagasikara. Na izany aza, nandalo fanjanahantany. Mbola misy farasisa navelan’io vanim-potoana io ankehitriny ny tontolon’ny fampianarana. Tapitra ny fotoam-pialantsasatra. Miditra any an-tsekoly amin’izay ny mpianatra. Mandeha mianatra. Mianatra inona ? Mianatra ireo taranja voafehin’ny fandaharam-pianarana. Lesoka goavana be iray […]
« Tsy revin-gadra intsony »: hamoaka ny rakikirany i Johasina
Hivoaka ny 8 septambra 2023, ny rakikira “Tsy revin-gadra intsony”, an’i Johasina, Ahitana hira sivy. Hisy ny azo jerena any anaty tambatsera vaovao ary hisy ny azo jifaina mivantana amin’ny alalan’ny kapila mangirana sy ny USB. « Azo antoka fa mahatsapa izany faniriana izany isika rehetra mba tsy hahafaty ireo fotoana […]
« Prix des jeunes écritures 2023 »: solontenan’i Madagasikara i Aryella Andrianantsitoherinteny
Vao 21 taona monja nefa efa fitaratra ho an’ny tanora namany i Aryella Aradrariny Andriantsitoherinteny na Kaira Futur. Manana ny maha izy azy eo amin’ny asa soratra izy ary efa fifaninanana maro no nahatafavoahany ho mpandresy. « Soraty ny Démocratie », « Diary Nofy », « Hack4Peace », anisan’ny fifaninanana nandraisany anjara. Nandalina manokana momba ny […]




