Fantatra tamin’ny fampitam-baovao nomen-dRazafimandimby Serge fa « nikopak’elatra ho any Hong Kong, ny faran’ny herinandro teo, i Lina Gpe ». Mpanakanto anisan’ny maro mpitia noho ny fananany feo kanto. « Nisy fifaninanana ahazoana vatsim-pianarana nokarakarain’ny fanjakana sinoa. Ny sekoly frankôfônia no nahazo io tolotra io. Nasaina nifidy izay mpianatra mahay indrindra ry zareo.Voafidy […]
kolon-tsaina
« Slam nationale 14 »: efa fantatra avokoa ireo mpandray anjara
Mivonona amin’ny « Slam nationale 14 » ny fianakaviamben’ny Slam malagasy, ao anatin’izao andro vitsy mialoha ny fifaninanana izao. Vita avokoa ny fifaninana isam-paritra, ary efa fantatra avokoa ny solontenan’izy ireo. Tontosa ny sabotsy 2 septambra 2023 ny fifaninanana regionaly ho an’Antananarivo sy Taolagnaro, ahafahana miatrika ny fifaninanana “Slam nationale 14”. Efa […]
Slam Media 2023: tsy misy very anjara ny mpiangaly Slam
Tontosaina ny alarobia 27 septambra 2023, eny amin’ny Institut française de Madagascar (IFM) Analakely, ny fijerena sy fitsarana ireo horonantsarin’ny mpandray anjara amin’ny Slam Media, ao anatin’ny « Slam nationale 14 » 2023. Sokajy iray natokana ho an’ireo tsy afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly izy ity. Raketina anaty horonantsary ny fandraisana […]
Is’Art Galérie : mandranty ny kantony i Mahery Rakotomalala.
Nosokafana ny 31 aogositra ary tsy hifarana raha tsy ny 30 septambra 2023 ny fampirantiana, tanterahin’i Maherisoa Rakotomalala, eny amin’ny Is’Art Galérie Ampasanimalo. « Brulent les masqus » io no lohatenin’ity fampirantiana ity. Am-polony ny asa tanana haseho ao, asa tanana izay manana ny mampiavaka azy. Maro sahady ireo efa tonga nijery […]
Tarika Mage-4 : omena laka ireo hira be mpangataka
Tao anatin’ny andro maro no efa naka ny hevitry ny mpitia zavakanto ny tarika Mage 4. Anisan’izany ny amin’ireo fandaharan-kira eny an-tsehatra. Maro be ny namaly ny antso. « Efa mamarana ny fandaharan-kira ho hiraina eny an-tsehatra (répertoire) izahay ato. Mampiditra ireo hira be mpangataka sy ireo tsy tena mbola natao […]




