Maro ny resaka momba an’i Madagasikara sy ny Malagasy. Tsy eto an-toerana ihany fa na ireo vahiny mpikaroka sy mpandalina tantara aza, milaza izany ihany koa. Mety hijanona ho jery ivelany ihany anefa io tranga io, raha ny hita ankehitriny ! Efa mahazatra ny sofina ny maheno ny hoe : […]
kolon-tsaina
« Slam nationale 14 »: fantatra ny ampahany andray anjara
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana nahafantarana ny solontenan’ny tanànan’Antsirabe sy Fianarantsoa ary Mahajanga, amin’ny “Slam nationale 14”. Ny Alliance Française any an-toerana no nandray ny hetsika sy manohana ary manampy tamin’ny fikarakarana. Efa manana solontena araka izany ny tanàna dimy amin’ny roa ambin’ny folo, handray anjara amin’ny fifaninanana […]
Fanokafana ny « Herinandron’ny kabary » : nasongadin’ny Fi.Mpi.Ma ny maha izy azy
Nosokafana ny 14 aogositra teo, tao Toamasina, ny « Herinandron’ny kabary ». Feno tanteraka ny fandaharam-potoana. Hetsika nahatarafana ny maha izy azy ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Fi.Mpi.Ma, zokiny indrindra sady maro mpikambana indrindra amin’ireo fikambanana miaro sy manandratra ny kabary malagasy. Diabe nialohavan’ny mpitsoka mozika, niala teo amin’ny « La Mairie » […]
« Life’s 2023 » : Tany Indonezia i Johary Ravaloson
Nifarana omaly, tao Jakarta, Indonesie, ny hetsika “Literature and Ideas Festivals” (LIFE’s). Hetsika nanomezana vahana manokana ny mpanoratra boky sy ny mpisehatra manodidina izany. Naharitra valo andro ny hetsika nanerana ireo ivontoeran’ny kolontsaina tao an-toerana. Nisolo tena an’i Madagasikara i Johary Ravaloson. Anisan’ny nizara ny maha izy azy tamin’izany ity […]
« Volana iray, mpanoratra iray » : homarihina ny faha-100 taona nahaterahan’ i Nirhy-Lanto
Teraka ny taona 1923 ary nodimandry ny taona 2004. Na tsy eo intsony aza, homarihina amina hetsika maro ny faha-100 taonan’i Nirhy-Lanto. Rakotonindrina Charles Victor no tena anarany. Solon’anarana maro no efa nosalorany teo amin’ny sehatry ny literatiora: Nirhy-Lantoson, Bruno Rahaingo, Pika Harisoa, Mamy rahanitra, Rado Tiana, sns. Nahafantarana azy […]




