Manoratra ny mpanoratra. Mamoaka boky ny mpamoaka boky. Lamina ankapobeny mialohan’ny hahatongavan’ny boky eny am-pelatanan’ny mpamaky. Toerana ifaneraseran’ny mpanoratra sy ny mpamoaka boky ankehitriny ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy, noho ny hetsika « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Amin’ny lafiny iray, misongadina be ny ezaka ataon’ny mpanoratra amin’ny fampahafantarana ny sanganasany. Tonga hatrany amin’ny famoahana […]
kolon-tsaina
Miantso fiaraha-miasa ny taranany…: hisy fampirantiana homanina mahakasika an-dRakoto Frah
Mitoetra mandrakizay ny lazany. Saingy tiana hampahafantarina bebe kokoa Rakoto Frah, ka izay no himasoan’ireo mandrafitra ny tarika Rakoto Frah Junior amin’izao fotoana izao. “Ho antsika izay manana ny sarin-dRakoto Frah, mba miangavy fiaraha-miasa aminareo izahay”. Hafatra mipetraka ao amin’ny pejy Facebook, an’ny tarika Rakoto Frah Junior io. Miantso fiaraha-miasa […]
Fanentanana vaky boky: nitohy teny Antsararay ny « Caravaniles »
Tontosa, omaly, ny hetsika atrikasa Angano sy fanentanana hamaky boky, ho an’ny teny amin’ny Boriborintany fahenina, notarihin-dRazanadriaka Lalao Elina.. Teny amin’ ny trano famakiam-boky Antsararay no nanaovana izany, hetsika izay tafiditra ao anatin’ny “Festival Caravaniles 2023”. Mpianatra maro samihafa, avy amina sekoly isan-tsokajiny no niatrika izany. Anjaran’ny ankizy sy ny […]
“Fy ifidianana”: tononkalom-pitiavana…
… Fa tsy politika ! Antsam-paribolana, toy ny fanaon’ny faribolana Sandratra isam-bolana izy ity. Hotontosaina ny sabotsy 28 oktobra ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CGM/GZ Analakely, ny “Fy ifidianana”. Hanokatra ny taom-piantsana izany ho an’ity Faribolana ity, ka ezahina hiavaka. “Fy ifidianana”, hiantsan’ireo poeta tononkalom-pitiavana amin’ny […]
«Herinandron’ny Havàtsa-Upem»: mihatanora hatrany ny mpanoratra
Anisan’ny hetsika lehibe indrindra amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny soratra eto Madagasikara ny « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Misy hatrany ny fivoarana hoentin’izany. Nosokafana, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny hetsika «Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Maro ireo mpandray anjara. Nisongadina indrindra amin’izany ny tanora. Saika ny sanganasan’izy ireo no tazana amin’ny fampirantiana. Tazana efa miditra an-tsehatra […]





