kolon-tsaina

« Sokela, La parole du Sud » : namoaka ny edisiona faha-11 ny Pr Rasamoelina Henri

Navoaka tao Fianaran­tsoa, ary efa azon’ny rehetra, indrindra ireo mpianatra sy mpampianatra eo anivon’ny Oniversite, jifaina ny boky «Sokela, La parole du Sud», notontosain’ny Pr Rasamoe­lina Henri. Edisiona faha-11 amin’ity boky ity izao natonta izao. Boky 300 pejy, ahitana lahatsoratra manodidina ny 30 isa, nosoratana Malagasy mpandalina sy mpikaroka maro […]

Handalo an-tanindrazana… : hihaona indray amin’ny mpankafy i Hanitra Ranaivo

Ho avy, ary hiaka-tsehatra eto Antananarivo i Hanitra Ranaivo. Ny fandalovany farany teo mantsy, tsy nahatontosa fampisehoana azy manokana izy. Hafaliana ho an’ny mpankafy ! Fantatra fa handalo indray eto an-tanindrazana i Hanitra Ra­naivo, ary ny seho hontonsainy ny alin’ny zoma izao, etsy amin’ny Piment Café Beho­ririka. Vaovao mahafaly ma­naraka […]

« Nofy Maitso» andiany faharoa : tanjona ny hitondra fanabeazana amin’ ny alalan’ny haikanto

Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny Esplanade La Mairie Toamasina, ny lanonana famaranana ny fifaninanana «Nofy Maitso» andiany faharoa. Fifaninanana «Slam poèsie» no notanterahina tao anatin’izao hetsitka izao. Mpiangaly «Slam» maro samihafa, avy amina tanàna sivy no tonga nanome lanja izany. Ankoatra ny famaranana ny fifaninanana, nisy ihany koa ny fampisehoana […]

“Festival des livres Thrillers”: nosokafana tamin’ ny ranty sy kilalao

Fampirantiana sy lalao fifaninanana no nentina nanokatra ny “Festival des livres Thrillers” andiany faharoa, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft) Andavamamba, ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina, nanomboka ny 21 oktobra 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 31 oktobra 2023 ity hetsika lehibe ity. Mampiavaka azy ny fanehoana sy […]