Tontosaina any Ranohira, nanomboka ny 29 aogositra 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 2 septambra 2023, ny “Festival Karitaka 2023”, andiany faha-13. Araka izany anarany izany, ny “Karitaky” no tena hisongadina amin’ity hetsika lehibe ity. Ahitana seho ara-kolontsaina sy zava-kanto maro mampiavaka iny faritra Atsimo iny koa ny hetsika. […]
kolon-tsaina
Kianjan’ny hiragasy : mitondra ny anaran-dRasamimanana Rochel na Ra-Petit
Mialohan’ny nitondrana ny razana ho any an-tanindrazany. Natao veloma farany tetsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha ny nofo mangatsiakan-dRasamimanana Rochel na i « Petit ». Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Kianjan’ ny hiragasy Ampefiloha ny fanaovam-beloma farany ny nofo mangatsiakan-dRasamimanana Rochel na Ra-Petit, filohan’ny Federasion’ny mpihiragasy eto Madagasikara. Fotoana nanambaran-dRakotondrazafy Lalatiana, minisitry […]
« Village culturel des Jeux des îles » : mahazo tombony manokana ireo mpahay kanto
Mitohy hatrany ny hetsika sy ranty maro samihafa eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ao anatin’ny « Village culturel des Jeux des îles ». Raha tsiahivina, toerana natokana hialana voly ho an’ny mpandray anjara mandritra ny lalaon’ny Nosy ity toerana ity. Ankoatry ny fampirantiana ny asa tanana sy fampisehoana haitao sy sakafo. Lasa […]
Dihy ankehitriny : raikitra ny « Temps Fort Danse »
Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny dihy ankehitriny sy ny Hip-hop anio, ao amin’ny Institut français de Madagascar Analakely (IFM), hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hiaka-tsehatra ny Compagnie Lovatiana x Naty Kaly. Haneho ny ezaka sy voka-pikarohana notontosaina izy ireo. Hanomboka amin’ny 6 ora hariva, kosa ny « Madagascar danse […]
Harem-bakoka : 9% ihany no aty Afrika
Tontosa ny fampiharana ny fifanarahana momba ny fiarovana ny harem-bakoka ara-kolontsaina sy ara-boajanahary iombonan’izao tontolo izao. Hatramin’izao anefa, tsy mbola manana ny lanjany aty Afrika izy ireny. Tokana aman-tany ny harem-bakoka ara-kolontsaina sy ara-javaboahary Afrikanina satria ivon’ny maha olombelona. Manamarika ny asa nosahanin’ny olona sy ny riba niainana tao anatin’ny […]





