Tropy zokiny indrindra, fa tropy mihetsika indrindra ihany koa ! Tsy mitsaha-mikaroka hevitra hampitana sy hampitiavana ny teatra ny Tropy Jeannette. Ezahan’ izy ireo samy mahazo ny anjarany, araka izany, avy ny mpankafy teatra. Efa nentin’ny tropy tetsy amin’ny efitranon’ny Arena Ivandry an-tsehatra tsy ela akory izay, ilay piesy « HM ». Noho […]
kolon-tsaina
Ratovo Valiha : mahasarika tanora ny « Semaine de la Valiha »
Madiva hifarana ny hetsika « Semaine de la Valiha » niarahana tamin-dRatovo Valiha, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely). « Ny Valiha sy ny tontolony ho fampandrosoana lovain-jafy » no lohahevitra novoizina nandritra ity hetsika ity. Fampirantiana sy atrikasa ary valandresaka momba ny valiha no nentina namenoana izany hetsika izany. Tanjona ny hametraka ny zavamaneno […]
Very hasina noho ny vanim-potoana : nanjary nisy ny karazan-dray, reny, zanaka…
Tsy nahay nanoratra ny Malagasy fahagola. Na aman-jato taona maro aza no niainany izany, mahalala tsara ny maha izy azy izy ireo. Io tsy fisian’ny soratra io rahateo no singa iray nanery ny Malagasy hampiasa ny sofina mihaino sy ny saina mandinika sy mitadidy ary ny fanahy handalana ny voajanahary… […]
Kolontsaina sy fanabeazana : miha mahazo laka ny teatra ifarimbonana
Tontosa, omaly, tao amin’ ny kaominina an-dRenivohitra Mananjary, ny fampisehoana “Soava lala”, tantara an-tsehatra sy teatra ifarimbonana. Ny ONG Tokontany iraisana no mpikarakara ny hetsika. Tanjona ny hanaovana ny kolontsaina sy ny zavakanto ho fitaovana ahafahana mampita fanabeazana sy fahalalana. Fahombiazana no azo tamin’ny fampiasana ny teatra ifarimbonana, nandritra ny […]
28 taona taorian’ny nahamay azy… : ho azo tsidihin’ny besinimaro amin’izay ny Rovan’i Madagasikara
Nampanantenaina fa tsy maintsy ho vita ny Rovan’Antananarivo. Nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika izany nandritra ny lanonana fanombohana ny famitana ny asa, ny volana avrily 2019. Nambara tamin’ny fomba ofisialy ihany koa fa lasa Rovan’i Madagasikara no hiantsoana ity harem-bakoka ity, satria manamarika ny tantaran’ny Nosy manontolo izany. Vita soa aman-tsara ny […]




