Nodimandry ny alahady 27 aogositra teo, Rasamimanana Rochel fantatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ilay solon’anarana « Petit ». Izy no filohan’ny Federasion’ny mpihiragasy. 66 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Araka ny vaovao nampitain’ny filoha lefitry ny federasiona, hampandalovina etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha ny nofomangatsiakan’ity andrarezin’ny hiragasy ity, ny alarobia 30 […]
kolon-tsaina
Kalon’ny fahiny, ho vazon’ ny ankehitriny !
Tanjona sa nofinofy ? Izay ilazana azy tsy maninona, fa toa maneho kisarintsarim-paniriana ihany ny filazana fa « kalon’ny fahiny, ho vazon’ny ankehitriny » ! Azo adika amin’ny hoe, hiverina eny am-bavan’ny Malagasy indray ny kalon’ny fahiny. Ho takany ny hevi-dehibe ampitain’ny tononkira ka hanana ny akony eo amin’ny fiainany. Tsy azo […]
Tarika Baobab : homarihina amin’ny seho maro ny faha-5 taona
Miezaka mitandro fatratra ny aingampanahim-pamoronana. Tarika Baobab, iray amin’ireo mamelona ny hira nanana ny lazany teo anelanelan’ny taona 1960 – 1980 – 1990. Dimy taona niakarana an-tsehatra. Tarika Baobab, ivondronan’ireo mpitendry sy mpihira efa samy manana ny maha izy azy eo amin’ny mozika. Mampiavaka azy ireo ny fanandratana hatrany ny […]
Slam nationale 14: Big Stone sy Konahy Junior no solontenan’Antsiranana
Tontosa ny faran’ny herinandro, tao amin’ny Alliance française d’Antsiranana, ny fifaninanana nifantenana ny solontenan’Antsiranana, amin’ ny « Slam nationale 14 ». Big Stone sy Konahy Junior, no voafidy tamin’izany. Hifaninana amin’ny fifaninanana olon-tokana sy hitondra ny anaran’Antsiranana, araka izany, izy ireo amin’ny fifanitsanana isan-tanàna. Nafana ary fampisehoana feno no natolotry ny mpikarakara […]
Havatsa # Sandratra : hisolo baolina ny penina
Sambany ! Hifanandrina eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ny mpanoratra. Fikambanana roa samy goavana eo amin’ny fikajiana sy fameloma-maso ary fanomezana aina ny soratra no hikatroka amina lalao baolina kitra. Havàtsa-Upem hifandona amin’ny Faribolana Sandratra. Fihaonana hotanterahina, ao amin’ny Kianja RM1 Andohan’Analakely, ny tolakandron’ny alarobia 6 septambra izao. Hosoloina baolina ao anatin’ny […]





