Tarika Filah, tarika Zana-Rotsy ary ny tarika ’Lay. Efa nisy ny fotoana nifandimbiasana sy niarahana teny an-tsehatra. Izao mitohy amin’ny alalan’ny « Cabaret accoustique » izao izany. Seho hotanterahina ao amin’ny Annexe Le Zoma Antaninandro, ny sabotsy 1 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Araka io lohateniny io, hahazo […]
kolon-tsaina
Fifaninanana «Théâtre en rire »: miezaka midina eny ifotony ny tomponandraikitra
Manana vina ny hampiroborobo ny zavakanto sy ny kolontsaina ny tomponandraikitra amin’izany eto amin’ny Tanànan’Antananarivo. Izany no nanaovana izao hetsika izao, hanentanana ny vahoaka eny ifotony, indrindra ny ankizy sy ny tanora. Tontosa, omaly, teny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny fifaninanana « Théâtre en rire ». Hetsika nokarakarain’ ny fitaleavana misahana ny zavakanto […]
Fifanaraham-piaraha-miasa : harenina ireo TVM/RNM simba any amin’ny faritra
Maro ireo faritra sahirana amin’ny fahazoana ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM. Vokatry ny takaitra navelan’ny rivodoza nifanesy, indrindra i Freddy, ny ankamaroany, any amin’iny faritra avaratra atsinanana ka hatrany atsimo atsinanana iny. Ankoatra ireo asa maika efa nataon’ny eo anivon’ny Ofisim-pirenena misahana ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena (ORTM), izay […]
SÔRONGO 2023 : fantatra avokoa ireo mpanakanto
«Ambanja rendez-vous», hoy ny hiran’ny Dr JB. Fotoana ifanomezana tokoa ny «Festival Sôrogno” isan-taona. Nanatombo ireo mpanakanto handray anjara amin’ity. Anisan’ireo «festival» ankavitsiana tsy niato hatramin’izay nisiany ny «Sôrogno any Ambanja. Antony iray mampipetraka ny lazan’ity hetsika ara-kolontsaina sy ara-toekarena ity ny fiomanana mialohan’ny fotoana. 3 volana mahery alohan’ny fotoana […]
Hiragasy: tsara fanombohana ny tsena
Volana jona, ao anatiny tanteraka ny fampisehoana adin-kiragasy… «Tsara fanombohana kokoa ny tsena raha oharina tamin’ny taon-dasa», hoy i Dadafara, iray amin’ireo mpikarakara seho eo amin’ny tontolon’ity zavakanto malagasy ity. Raha ny fanazavany hatrany, somary nitodika tamin’ny hiragasy ny Malagasy noho ny fanentanana natao azy ireny ho any amin’ny fiverenana […]




