kolon-tsaina

Federasion’ny mpihiragasy – Kianja vaovao : « Hisintona mpizahatany ny hiragasy », hoy i Dadafara

Mitohy tsy tapaka isaky ny alahady ny adin-kiragasy tanterahina eo amin’ny Kianjan’ny hiragasy etsy Ampefiloha. Manao ny ezaka hampivelarana izany rahateo ny Federasion’ny mpihiragasy. «Amin’ny ankapobeny, mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanohizana ny fandaharam-potoana rehetra. Misy hatrany ny adin-kiragasy eto amin’ity Kianjan’ny hiragasy ity, isaky ny alahady », hoy Ramilison ( […]

Hosodoko : Tafaverina indray ny fampirantiana « Hosotra »

Tanterahina eny amin’ny Colline-Maison sociale des arts, Ambatovinaky, ny fampirantiana « Hosotra ». Hetsika tsy hifarana raha tsy ny 7 septambra 2023. Fampirantiana hanehoana ireo asa tanana sy haikanto vita amin’ny plastika. Mpahay kanto eo amin’io sehatra io miisa 36 no mampiranty ny asa tanany eny an-toerana. Mandrafitra izany ireo mpahay kanto […]

« Slam nationale 14 »: hifaninana ny ao Antsiranana

Tanterahina anio, ao amin’ny Alliance française Antsira­nana, ny fifantenana izay hisolo tena ny tanànan’Antsiranana ho amin’ny “Slam nationale 14, 2023”, eto Antananarivo. Mpifaninana roa no andrasana ho avoakan’ity fifaninanana anio ity. Mpandray anjara roa ambin’ny folo, amin’ny roapolo izao no efa fantatra. Tsy miova ny fepetra sy ny fitsipika fandraisana […]

Afon-dasin’Andohalo: hanafana ny hetsika ny Iraimbilanja

Hianoka fampisehoana iarahana amin’ny tarika Iraimbi­lanja indray ny mpankafy ny « Afon-dasin’Ando­halo », anio hariva, manomboka amin’ny 4 ora, ao amin’ny Zaridainan’ Andohalo. Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy no miara-misalahy amin’ny fanatanterahina ity hetsika ity. Ankoatran’ny fanomezana sehatra ny mpanakanto, tanjon’ny « Afon-dasin’Andohalo » ihany koa ny […]