Misokatra manomboka anio hatramin’ny 2 septambra 2023, eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ny “Village Culturel des jeux des îles”. Hetsika natokan’ny mpikarakara ny lalaon’ny Nosy hampahafantarana ny zava-misy eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina, avy amin’ireo nosy mandray anjara. Tanjon’ ny hetsika ny hampahafantatra ny kolontsain’ireo nosy manodidina, indrindra ny eto […]
kolon-tsaina
MSK-OIF : mihamafy ny fiaraha-miasa
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy,omaly, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT Andavamamba), ny hetsika fampirantiana “La Francophonie dans la diplomatie et à travers les contenus Culturels Malagasy”. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) sy ny « Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) » ary ny AFT Andavamamba no nahatanterahan’izao hetsika izao. Tanjona […]
Mozika miaina : namoaka ny rakikira « Fito – Seven » Rajery
Mpanakanto 43 taona nitendrena valiha. 40 taona niakarana sehatra. 30 taona niatrehana ny sehatra iraisam-pirenena. Hita taratra ao anatin’ny rakikira « Fito – Seven » avokoa ireo traikefa ireo. Mpanakanto manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ! Nampahafantarin-dRajery, omaly, tao amin’ny Carlton Anosy, ny fivoahan’ny rakikira vaovao « Fito – Seven ». Hira 9 no voarakitra ao […]
Mozika mifangaro: hanome voninahitra ireo efa lasa ry Sivy Mahasaky
Miavaka raha samy tarika! Mpanakanto samy manana ny karazana mozika iangaliany, ary samy kalaza amin’izany, no mandrafitra ny Sivy Mahasaky. Hevitra nipoitra avy tamin’i Tsilavina Ralaindimby io tany am-piandohana. Hevitra hafahafa, kanefa nanokatra ny fijerin’ny maro ny mozika malagasy: mpanakanto mpivoy ny hira vokatry ny tany, miaraka amin’ny mpiangaly rock, […]
Fampirantiana “Lamba forever” : tanjona ny hampahafantatra ny lamba sy ny tontolony
Mahatalanjona ny mahita ireo haikanto miranty eny amin’ny Hakanto Contemporary, ao anatin’ny fampirantiana “Lamba forever”. Betsaka ihany koa ireo tsy nanampo ny haikanto vita amin’ny lamba sy ny mety hampiasana azy ireny. Mitohy hatrany ny fampirantiana « Lamba forever », atao eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Fampirantiana izay efa nisokatra tamin’ny 8 […]





