kolon-tsaina

« Cinéma » malagasy : miha matihanina ny mpamokatra sarimihetsika

Tontosa, omaly, teny amin’ny Canal Olympia Andoha­ta­penaka, ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny sa­rimihetsika « Lav’alina », no­vokarin’ny trano mpamokatra Manjaka Sary. Olo-manan-ka­ja sy matihanina eo amin’ny sa­rimihetsika no nanatrika izany lanonana izany. Ny rafi-tantarany sy ny kalitao teknikany no mampiavaka ity sarimihetsika ity ka nahavoafidy azy ho anisan’ny sarimihetsika nandeha […]

« Evasion danse II » : taninketsan’ny dihy i Madagasikara

Hifarana ny « Festival in­ternational de danse de création » nampitondraina ny anarana « Evasion danse » andiany faharoa. Tao anatin’ny herinandro, na ireo mpikarakara na ireo nandray anjara, indrindra fa ny mpanatrika, samy nilaza ny halehibeazan’ny hetsika tahaka itony. Tsika­ritry ny rehetra fa « taninketsan’ny dihy i Madagasika­ra ». Manana mpandihy tanora itoeran’ny talenta ny Ma­la­gasy. Mpandihy […]

Feno 5 taona ny fandaharana : manabe sady mampihomehy ny “Eo ara oe”

Sady manala sorisory no handraisana hafatra. Anisan’ireo fandaharana be mpiandry isan’andro ny “Eo ara hoe”. Mifono fanabeazana. Feno 5 taona amin’ity taona ity ny nisian’ny fandaharana “Eo ara oe”, ao amin’ny fahitalavitra TV Plus. Ni­haona tamin’ny mpanao gazety ireo tomponandraikitra sy mpilalao, omaly, tetsy Andra­haro. Nampahafanta­rin’ izy ireo nandritra izany fa ho­ma­rihina izay […]

Akademia malagasy: mitohy ny fanatsarana ny teny malagasy

Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny Lapan’ny Akade­mia malagasy, Tsimbazaza, ny fanolorana ny velakevitra sy fifanakalozana, nentin’ireo mpikambana ao amin’ny Aka­demia malagasy. Ny sokajy haikanto sy hailaza ary hai­raha, eo anivon’ny Akademia no nanatontosa sy nandrindra ny fivoriana, teo ambany fiahian’ny filoha sy ny biraon’ny Akademia. Velakevitra anisan’ ny niavaka tamin’izany […]

20 taona an-tsehatra…: nanomboka tamin’ny Pazzapa… efa manana ny lalany i Poon

Tsaroanareo ve i Poon Pazzapa? Efa ela no adinodino izay fanampin’anarany izay, satria nanoritra ny lalany manokana ary manohy izany ity mpanakanto ity. Aleo izy no hitantara… Gazety Taratra (*): Ma­nana fanontaniana telo hapetraka amin’i Poon izahay. Ny voalohany, azonao fintinina ve ny momba anao sy ny lalana nodiavinao teo […]