kolon-tsaina

Any « Andafy » : mampahafantatra ny bagasy R’Imbosa

Raha ny fandaharam-potoana nomanina, nanomboka ny 16 jona teo ka hatramin’ny 24 jolay izao no hanatanterahin’ny R’Imbosa ny fampahafantarana sy fampitiavana ny bagasy any «Andafy». Mitondra endri-tseho samihafa izy efatra mianadahy (Mbosa sy Mimi ary i Lidy sy Vavah). Fampisehoana an-tsehatra, fifanakalozana, famelabelaran-kevitra, fampiofanana sy fampianarana, sns. Anisan’ny andrasan’ny maro any […]

Hetsika iraisam-pirenena: hivelatra kokoa ny “Waka Waka Festival” any Sambava

Iza no handimby an’i Grand P? Efa fantatra aloha fa hisy mpanakanto afrikanina malaza ho avy any Sambava, amin’ity andiany faharoa amin’ny “Waka Waka Festival” ity. Ho fararanon-danonana ny any Sambava. Han­dray ny andiany faharoa amin’ny “Waka Waka Festival” ny any an-toerana, ny 10 ha­tramin’ny 13 aogositra ho avy izao. […]

Fandaharana amin’ny fahitalavitra : naranty ny faha-10 taonan’ny Kolots’Art

Nomarihina ary naseho ho an’ny rehetra tetsy amin’ny AFT Andavamamba, afakomaly, ny faha-10 taonan’ny fandaharana Kolots’Art ao amin’ny Kolo TV. Naranty tamin’izany ny ankamaroan’ ireo asa tanana sy fahaiza-manao ary koa ny momba ireo mpanakanto. Teo ireo mpanakanto amin’ny hosodoko sy ny sary miisa 50. Eo koa ireo taozavatra sy […]

« Evasion danse » II : Feno ny toerana « Masterclass »

Anisan’ny fandaharam-potoana lehibe hotanterahina ao anatin’ny «Evasion danse» II ny «Masterclass», tontosaina anio maraina, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina. Fantatra fa tsy misy intsony ny toerana ho an’izay mbola te hanatrika izany. Fiofanana nampitondraina ny lohahevitra : «Techniques et symboliques de la dit malagasy sur rythmique linéaire» izay hotarihin’i […]

Ho famaranana ny faha-10 taona : hanolotra seho sy rakikira ny Vox Angeli Vivace

Nahafantarana ny Vox Angeli Vivace ny namerenany ireo sanganasan’i Gilles Ramiarison. Hamoaka rakikira manokana hirakitra ireo ity vondrona tanora mpanakanto ity… Nanomboka ny fankalazana ny faha-10 taona izy ireo, ny volana mey 2022. Hamarana izany kosa ny Vox Angeli Vivace, amin’ny alalana fampisehoana miavaka, hotontosaina ny sabotsy 15 jolay izao, […]