kolon-tsaina

Tombokavatsa : Malagasy 15 hatramin’ny 65 taona voasarika

Tontosa, omaly, tetsy Ampasanimalo, ny hetsika “Havatse Dago Tattoo Fest”, andiany voalohany. Nanatrika izany ireo tanora malagasy maro, mpankafy ny fanaovana tombokavatsa. Mihevitra ny ankamoroan’ny Malagasy fa rendrarendra sy natokana ho an’ny jiolahimboto ny fanaovana tombokavatsa, raha ny zava-misy. “Tsy fantatry ny Malagasy fa anisan’ny kolontsaintsika ihany koa iza­ny ka […]

Tomboka havatse : mampiseho ny tantaram-piainan’ny olona mitondra azy

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Teinturerie Am­pa­­sanimalo, ny hetsika “Ha­vatse Dago Tattoo Fest”, andiany voalohany. Hivon­dronan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fanaovana tatouage sy percing eto Madaga­si­kara. Tanjona ny hampahatsiahivana ny rehetra fa tafiditra anaty kolontsaina malagasy ny fanaovana izany. Eritreretin’ny olona fa jiolahimboto na tsy misy dikany ny olona manao tomboka havatse, […]

« Concert d’orgue » : omena lanja i Noël Rakotoarivony

« Tsy mbola nisy », « Natolotrao ho avotray », « Falifaly »… Hanakoako mandritra ny « Concert d’orgue » hotanterahina ny 9 jolay izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny FJKM Ambaniala Malala, ny sanganasan’i Noël Rakotoarivony. Ny antoko mpihira Zanak’i Ziona no hihira izany eny an-toerana. Seho karakarain’ny Sampana tanora kristianina sy ny Fikambanan’ny mpitendry […]

Antenimierandoholona : lany nasiam-panitsiana ny tolo-dalànan’i Rossy

Raha hivoaka ho lalàna, tsy mbola ato ho ato. Nitondra fanitsiana maromaro ilay volavolan-dalàna nataon’ny solombavambahoaka Rossy, ireo loholona, omaly. Tolo-dalàna laharana faha 002-2022/PL, tamin’ny 01 jona 2022, mahakasika ny fanavaozana ny lalàna laharana faha-94-036, mahakasika ny « propriété littéraire et artistique ». Natolotry ny so­lombavambahoaka sady mpanakanto Rahasimanana Paul […]

Ho fifalian’ny mpankafy…: hiaraka an-tsehatra indray i Poopy sy i Njila

Tsaroanareo ve ilay fampisehoana Njila sy i Poopy tao amin’ny Palais des sports, ny taona 2017? “Firaisankina” ny anaran’ny seho tamin’izay, nentina nanamarihan’i Njila ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra. Amin’izao fotoana izao kosa, tonga amin’ny fankalazany ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra ihany koa i Poopy… Efa nisy ny seho goavana […]