kolon-tsaina

60 taona; tsy miova ny fanambin’ny Tahirimbolam-panjakana

Natao ny 1 sy 2 ary ny 3 jolay teo, ny fankazalana ny faha-60 taona ny Tahirim­bolam-panjakana. Hetsika ara-panatanjahantena sy ara-ko­lon­tsaina ny andro roa voalohany, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Teny amin’ny CCI Ivato kosa ny andro fahatelo, « Andron’ny Tahirim­bo­lam-panjakana ». Notolora­na mariboninahitra ny mpiasa ma­nerana ny Nosy amperinasa sy ny […]

Fihaonana, seho, fifaninanana… : hivelatra noho ny teo aloha ny « Evasion danse II »

Anisan’ny fanomezan-danja ny dihy sy ny asa famoronana momba izany ny fanatanterahana ny « Festival international de danse de création ». Nohatevenina ny fandaharam-potoana ho an’ny andiany faharoa. Hosokafana, anio, ny «Festival international de danse de création». Hivelatra sy hahazo sehatra lehibe kokoa raha oharina amin’ny teo aloha ity andiany […]

Kolontsaina sy fanabeazana: nisokatra ny Alliance Française etsy Ankadimbahoaka

Manakaiky kokoa ireo izay mila azy. Tanjona apetraky ny Alliances Françaises maneran-tany io, ka tafiditra amin’izany ny fisokafan’ny sampan’ny Alliance Française eto Antananarivo, eny Ankadim­bahoaka. Notokanana, omaly, ity ivontoerana ho an’ny kolontsaina, ny fanabeazana sy ny fampianarana ny teny frantsay ity. Ao amin’ny Alhambara Gallery, rihana fahefatra no misy azy, […]

Reko Band sy Rija Ramanantoanina : nohafanain’ny « Zara fitia » Antsahamanitra

Tarika sy mpanakanto roa samy manana ny mampiavaka azy. Samy manana ny mpitia ny sanganasany. Samy nihira ireo hira nahafantarana azy… Na namirifiry aza ny toetry ny andro, omaly, nafana ny teny Antsahamanitra. Nisan­tatra ny sehatra nitondra ny «Zara fitia» ny Reko Band. Hira mihetsiketsika nisesisesy avy hatrany no nisantaran-dry […]

Fanabeazana sy kolontsaina : 140 taona ny « Alliance Française »

Mizara telo lehibe ny asa sahanin’ny «Aliance Française» any amin’ny firenena misy azy. Fampianarana ny teny frantsay. Fampandrosoana ny famakiana boky ho an’ny rehetra. Fampivelarana ny kolontsaina amin’ny endriny rehetra. Ireo no nezahina nampahafantarina ny olon-drehetra, ny sabotsy 1 jolay teo, tao amin’ny Alliance Française Antananarivo (AFT) etsy Andavamamba. Nampahafantarina […]