kolon-tsaina

Mozean’ny Saripika : haranty ny momba ny lamba

« Lohahevitra iombonan’ny Malagasy no nofidinay amin’ny alalan’ity fampirantiana momba ny lamba ity », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Mozean’ny Sari­pika eny Anjohy Andohalo. Ranty hanomboka ny 22 avrily izao. Hisongadina amin’ireo saripika hiranty eny an-toerana ny fomba fampiasana ny lamba eny amin’ny fiarahamonina, manoloana ny lafiny tantara sy ny maha olona. […]

“Tango”: nifarana ny atrikasa nataon’ny Trio Buenos Aires

Mitohy hatrany ny ezaky ny Anac amin’ny fampiroboroboana ny haikanto samihafa eto Madagasikara. Anisan’izany izao fanafarana mpahay kanto matihanina avy any ampitan-dranomasina izao, hizara sy hitafatafa amin’ny mpahay kanto sy ireo taninketsan’ny haikanto malagasy. Nifarana, omaly, teny amin’ny Academie Nationale des Arts et de la Culture (Anac) Anosy, ny atrikasa […]

Slam : mikarakara atrikasa ny MST

Hisy ny atrikasa “Slam’ Up”, karakarain’ny Madagas­lam Section Tana (MST), eny amin’ny foibe toeran’ny ADMC -CRAAM eny An­katso, ny alakamisy 20 avrily 2023. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fampirisihana ny tanora eny amin’ny Oniversiten’An­tananarivo mba hirona ho any amin’ny haikanto sy ny kolon­tsaina. Eo ihany koa ny fampahafantarana ny Slam sy fampitomboana ny […]

Boky sy vakinteny : andiany faha-4 ny « Lire en Fête »

Taona 2019, notanterahina voalohany tao amin’ny Al­liance Française Anta­na­narivo (AFT), etsy Andavamamba ny hetsika momba ny boky sy ny vakiteny « Lire en Fête ». Hotanterahina ny 22 avrily ka hatramin’ny 29 avrily izao ny andiany faha-4. Napetraka ho laharam-pahamehana sady lohahevitra rahateo ny : « Fi­sokafana ho any amin’ny tontolo tsara hatrany ». Tafiditra ao […]

Jacques Rabemananjara : nivoaka ny boky misy ny asa sorany

Tontosa, omaly, teny amin’ ny Institut Français de Ma­dagascar, IFM Analakely, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny fivoahan’ny boky “Jacques Rabemananjara, Œuvre Po­étique”. Boky mirakitra ny asa soratr’i Jacques Rabe­ma­nan­jara, nosoratan’i Domi­nique Ranaivoson. Mahatratra 300 pejy izy ity ary niarahana niasa tamin’ny Mpanaparika Boky, mpanonta boky, sy ny […]