kolon-tsaina

Fitsidihana ny Rova: nandraisana fepetra ireo mpitari-dia tsy ara-dalàna

Izay efa nitsidika dia nahatsikaritra. Ifandrombahan’ireo milaza fa mpitari-dia izy ireo. Manakorontana ny mpitsidika ny Rova ka tsy eken’ny minisitera mpiahy izany. 9 andro izay no nisokatra indray ho an’ny besinimaro ny eny Anatirova. Efa maherin’ny 10 000 sahady ireo mpitsidika, ny tamin’ny alarobia teo no maro indrindra, satria nahatratra […]

« Fehezan-tseho hafa mihitsy »: tarika 19 hifandimby eny an-tsehatra

Mifanaraka amin’ny lohateniny ! Sambany teo amin’ny tantaran’ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly no hisy tarika sy mpanakanto mahatratra 19 be izao hifandimby eny an-tsehatra. «Fehezan-tseho hafa mihitsy», rindran-kira hotanterahina ny 23 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Ao ireo tarika sy mpanakanto […]

Ramilison Dadafara: « Mampiditra 6 tapitrisa isan’ olona eo ho eo ny hiragasy »

Maina ny tany ! Afaka manatanteraka adin-kiragasy maro ny tarika iray. Saika isan’andro mandeha hatrany. Dinika nifanaovana tamin-dRamilison Dadafara. Gazety Taratra (*): Mandra-pahatongan’ny rotsakorana volana oktobra, mahatratra firy eo ho eo ny adin-kiragasy vitan’ny tarika iray ? Ramilison Dadafara (-): Raha niainga teo amin’ny voalohandohan’ny volana avrily, mahavita adin-kiragasy 150 […]

Tantara an-tsehatra : any Antanifotsy indray ry Rakoto, Niravo, Faly…

Hitohy any Antanifotsy in­dray ny seho an-tsehatra iarahana amin’ireo mpilalao tan­tara amin’ny onjam-peo. Hi­seho vahoaka any an-toerana ny alahady 2 jolay izao, amin’ ny 1 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny kianja malalaka Mb Terezy i Niravo, Rakoto, Faly, Synèse ary Antsa Ra­vaka. Holalaovin’izy ireo an-tsehatra amin’izany ilay tantara nosoratan’i […]

« Hiaraka Mi-Rock » : manohy ny lalany ny Serge GPE

Handimby ny « Revy Rock » ny « Hiaraka Mi-Rock » ! Ma­nohy ny lalany eo amin’ny tontolon’ny mozika hatrany ny tarika Serge GPE. Rahampitso zoma 30 jona, hanomboka amin’ny 7 ora hariva, ao amin’ny 26 Twenty six, Karibotel Analakely, no hitondran’izy ireo indray ny « Hiaraka Mi-Rock ». Hifanakaiky amin’ny mpankafy ny kanto ry zareo amin’io […]