kolon-tsaina

“Prix Paritana” andiany fahasivy: efa nisokatra ny fandraisana anjara

Misokatra ny 3 janoary hatramin’ny 23 febroary 2025 ny fandraisana ny tetikasan’ireo mpanakanto maniry ny handray anjara amin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahasivy. Eo anivon’ny tranokalan’ny Fondation H no ahafahana manao izany fisoratana anarana izany. Mala­gasy mpanakanto na mpanakanto monina eto Mada­gasikara no afaka mandray anjara amin’izany. Tohana amin’ny lafiny […]

Cité des Cultures: nahaliana ny mpanatrika ny «Sabotsy … Hizara Kanto »

Hetsika vaovao, anisan’ny tsara ho an’ny mpisehatra eo anivon’ny zavakanto rehetra ny « Sabotsy… Hizara kanto ». Hitohy ary hifantoka amin’ireo lohahevitra mamoaka ny mararin’ny zavakanto ny hetsika, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cité des Cultures An­tani­na­renina, ny « Sabotsy… Hizara Kanto ». Hetsika ahitana velakevitra sy valandresaka […]

TARATRY ny KANTO

Hitondra atrikasa mahakasika ny fanaovana petakofehy eny amin’ny Fondation H Ambatomena i Carine Ratovonarivo, anio. Ho hita mandritra izany avokoa ny antsipiriany amin’ny fanaovana petakofehy, miantomboka amin’ny fifidianana kofehy ka miafara any amin’ ny fanaingoana ny asa vita. Ilay atao fitaratra mihitsy no tsy hita. Endriky ny kolontsaina ankehitriny io? […]

«Le Meilleur Patissier» : Tafita amin’ny famaranana Razafinimanana Tsiory

Tontosa ny alakamisy teo, tany Frantsa, ny dingan’ny manasa-dalana amin’ny fifaninanana “Le Meilleur Patis­sier”. Tafakatra amin’ny din­gan’ny famaranana i Tsiory Razafinimanana. Ny Televi­ziona M26 ao Frantsa no nikarakara ny fifaninanana izay efa miditra eo amin’ny andiany faha-13. Haify sy nahandro no tsaraina sy hasongadina ao anatin’izany. Ankoatra ny fitrandrahana ireo […]

Tsanganafo: Efa nivoaka ny laharana faha-11

Azon’ny rehetra jifaina nanomboka ny fiandohan’ny volana janoary ny Tsanganafo, laharana faha-11. Revio niomerika ahitana lahatsoratra maro samihafa momba ny tantaran’i Madagasikara, ny fomba amam-panao malagasy, teny, literatiora, ireo karazana kabary. Hita ao anatin’ny koa ny momba ireo harena voajanahary eto Madagasikara sy ny zavakanto. Tomponandraikitra amin’ny famolavolana sy fanatontosana […]