Tafiditra ao anatin’ny sehatrasa sy vina tanterahin’ny Vondron’ny mpiangaly Tantara (V.M.T) ny hampiakatra hatrany ny lentan’ny tontolon’ny tantara fandefa amin’ny Radio na ny tantara an’onjampeo. Ho fiatrehana izany, hisy ny atrikasa fanoratana tantara fihaino hotanterahina ny alarobia 27 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Lycée JJ Rabearivelo […]
kolon-tsaina
Malagasy mpianatra any France : Mangataka ivontoerana ara-kolontsaina
Hanabevoho ny teny sy ny kolontsaina malagasy, na lavitra ny tanindrazana aza. Izay no anisan’ny tanjon’ireo mpianatra teratany malagasy any France, izay nampitain’izy ireo nandritra ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mandrindrarivony Ogascar, omaly. Tao amin’ny Foyer universitaire malagasy na Fum ao Paris no natao ny fihaonana, […]
Tarika Manan’Ara : Hanamarika ny faha-10 taona
Tarika manome lanja ny mozika misy fanahy. Iray tamin’ireo nisafidy ny hivoy ny mozika arahin-gitara sy ireo zavamaneno mifameno aminy ny Manan’Ara. 10 taona izay no nisian’ny tarika, ka homarihina izany. Ho fanokafana azy, hisy ny seho hotontosain’ny Manan’Ara ny zoma 22 mey izao, eny amin’ny Pho Resto Ivato. «Ho […]
Havàtsa-Upem – Atrikasa 2026: Omen-danja ny famakafakana asa soratra
Tafiditra ao anatin’ny Iray volana anandratana ny teny malagasy. Mandritra ny volana jona, isaky ny sabotsy, hanatanteraka « Atrikasa 2026 fanoratana » ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Homen-danja ny famakafakana asa soratra (essai littéraire). «Atrikasa 2026 fanoratana». Hetsika hotontosaina mandritra io volana jona io, isaky ny sabotsy, […]
“Cabaret nostalgique”-Kaiamba tena izy : Ireo mpankafy no mandrafitra ny fandaharan-kira
Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy maro be tsy nahafoy efa an-taonany maro ny vazo Kaiamba. Io no antony nanosika ny mpikarakara ny “Cabaret nostalgique” Kaiamba tena izy hisafidy fa « ireo mpankafy no mandrafitra ny fandaharan-kira amin’ity indray mitoraka ity ». Seho takariva an-kira tanterahina etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny zoma […]





