kolon-tsaina

“Tsapiky Festival” : Hanandratana ny tsapiky amin’ny sehatra avo

Efa harembakoka iraisam-pirenena. Rariny raha hasongadina eto an-toerana ka hatrany ivelany ny gadona tsapiky. Ny 10 desambra 2025 no nivoaka ny fanambarana avy amin’ny Unesco: Tafiditra ho isan’ireo harembakoka iraisam-pirenena ny gadona tsapiky. Nampahan­fatarin’ny minisitry ny Sera­sera sy ny kolontsaina tamin’ny fomba ofisialy izany, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy […]

Kolontsaina sy zavakanto: Mbola vitsy ireo sahy mamatsy tetikasa

Hatramin’izao, mbola ny tontolon’ny hira ihany no ma­hi­ta hirika. Manome na mampiasa vola hanatanterahina ny famerenan-kira sy ny fiakarana an-tsehatra ny mpandraharaha, rehefa avy nanao kajy fa ho voaverina ny volany. Ha­hazo tombony izy. Tsy ny hira irery, anefa, no zavakanto. Ani­san’ny manana tetikasa goavam-be, ohatra, ry zareo mpanao tantara […]

Tarika AmbondronA : Hiaraha-mankalaza amin’ ny mpankafy ny 25 taona

Tsy iadian-kevitra intsony fa anisan’ireo tarika malaza indrindra eto Madagasikara ny tarika AmbondronA. Naharitra tao anatin’izay laza izay koa, satria efa 25 taona nisiana. 2001-2026. Feno 25 taona amin’ity ny nisian’ny tarika AmbondronA. Nandalo sedra maro vao tonga amin’izao lazany izao ny tarika tao anatin’izay fotoana izay. Noho ireo mpankafy […]

Fanabeazana sy fampianarana : Mbola misy diso fandray ny « fanagasiana »

Taorian’ny taona 1972 na­naovan’ny mpianatra fihetsehana ho fanoherana ny fanjakazakana mivantana sy ankolaka nataon’ny Frantsay teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana, nipoitra tsikelikely ny « fanaga­siana ». Taona 2026, mbola misy diso fandray ihany ny tena raiketin’io teny io. Vohi­zina mafy indray ny fandikan-teny. Tafiditra ao anatin’izany rehefa mety ho voambolana vahiny. […]

Fitantanana harembakoka: Hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa

Mila fanavaozana hatrany ny fitantanana sy fikajiana ireo harembakoka. Anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny iraisam-pirenena ny fitaleavana misahana ny harembakoka eto Madagasikara. Nandray ireo frantsay manam-pahaizana momba ny haremba­koka ny tale misahana ny ha­rembakoka, Lahiniriko Denis Alexandre, teny amin’ny La­pan’Andafiavaratra, omaly. Ni­tarika ny delegasionina i Jean Luc Martinez, ambasadaoro manokana […]