Ny ray aman-dreny, mpitaiza sy mpanabe. Fahiny, mitombina sy tsara fototra io. Ankehitriny, mitsingilaila tanteraka izany. Misy lesoka lehibe ny fanabeazana. Ny ray aman-dreny mihitsy no mampirisika ny zanany hanaotao foana. Mety tsy mivantana fa an-kolaka ny fisehon’io tranga io. Avy amin’ny tsy fandraisana andraikitra, ohatra. Tany ambadik’Imanareza, ny zanaka […]
kolon-tsaina
“Kanto Miampita” 2 : Hamelona an-tsehatra ireo hiran’ny tarika Les Surfs
Mamelona, mamerina, mampiaina ary mampita. Izay no lalan-tsain’ny “Kanto Miampita”, na ny fandaharana amin’ny onjam-peo, na ny andiam-pampisehoana. Hiompana amin’ireo hira nataon’ny tarika Les Surfs indray ny andiany faharoa. Marina fa tsy namoron-kira ry Rabaraona 6 mianadahy… Mpamerin-kira anisan’ny nanana ny lazany koa ny tarika Les Surfs, ary hatrany ivelany […]
Fimpima FJKM Ambohitantely : Nosaloran-damba ireo mpikabary 20 mianadahy
Feno 15 taona ny rantsana Fimpima FJKM Ambohitantely. Nomarihina omaly izany tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra, nandritra ny alahadin’ny SLK ny maraina, tao an-toerana. Notontosaina nandritra izany ihany koa ny fampisalorana lamba ireo mpikambana tsotra, mpikabary miisa 20 mianadahy. Nanatontosa ny fampisaloran-damba ny filoham-paritany Fimpima, Andrianady Bandro. Nisolo […]
Farakely sy Rija R. : Nampiaina indray ireo hiran’i Bessa sy Lôla
Aman-jatony maro raha ny sanganasan’i Bessa. Am-polony maro koa no natokany ho fampiaraham-peon’izy mivady, Bessa sy Lôla. Notsongaina tamin’ireo ny hira nalahatr’i Rija Ramanantoanina sy i Farakely, nandritra ny fampisehoana notontosainy omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Hira tsy afaka ambavan’ny maro ary mbola voaporofo izany nandritra ny ora telo mahery […]
Sanganasan’i Bessa sy Lôla: Haverin’i Farakely sy i Rija Ramanantoanina
Efa nisy tamin’ny taona 2023… Ary hita fa tsara sy be mpankafy izany, ka hiverenana indray. Ilay fampiaraham-peon’i Farakely sy i Rija Ramanantoanina, izay namerina ny sanganasan’i Bessa ranofotsiny io. Hatao ao amin’ny CCEsca toy ny mahazatra ny seho, rahampitso alahady 10 mey, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hibahana ny […]





