Tsy ara-dalàna ny fanapariahana sy fandefasana sanganasa, sary, feo votoatiny ara-kanto, namboarina na novaina tamin’ny alalan’ny « intelligence artificielle ». Io ny votoatin’ny taratasy nalefan’ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na Omda, tamin’ireo talen’ny haino aman-jery rehetra. Fampahafantarana miharo fandrarana izy ity, satria tsikaritra fa misy haino aman-jery mandefa ireo hira na […]
kolon-tsaina
Chorale Orimbato Ambatonakanga: Hamelona ireo hira fahizay ao Andafiavaratra
Hira sy soradihy tamin’ny andron’ny faha mpanjaka. Nanamarika ny vanim-potoana nidiran’ny fivavahana kristianina ihany koa no halahatry ny Orimbato avy ao Ambatonakanga, eny Andafiavaratra. Hetsika ara-pinoana, ara-kolontsaina ary mivoy ny tantara. Izay no tanjona amin’ny kaonseritra miavaka izay hotontosain’ny Chorale Orimbato Ambatonakanga, ny zoma 5 jona izao, manomboka amin’ny 7 […]
Mpilalao tantara amin’ny onjampeo: Hiaka-tsehatra ao Mahajanga ny Iray Fy’Art
Handeha lavitra kokoa amin’ny seho ataony. Hifamotoana amin’ny mponin’i Mahajanga sy ireo mpankafy ny mpilalao tantara amin’ny onjampeo, ny tarika Iray Fy’Art. Hilalao tantara an-tsehatra any an-toerana izy ireo. Hotanterahina ny alahadin’ny Pantekoty, 24 mey, ao amin’ny «Centre pastorale ex-Don Bosco» izany, hanomboka amin’ny 4 ora hariva. Hiompana amin’ny fiainana […]
Madagasikara ao Cannes : Ho fanoitra ho an’ny fizahantany ny sarimihetsika
Mandroso tsikelikely ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Misy ireo solontena malagasy any amin’ny « Festival de Cannes » any France, izay manana iraka manokana hotontosaina. Manana delegasionina mafonja any amin’ny «Festival de Cannes», andiany faha-79, i Madagasikara. Iraka iombonana eo amin’ny kolontsaina sy ny fizahantany ny marina kokoa, satria tanjona lavitr’ezaka ny hahatonga […]
Faribolana Sandratra Tsiroanomandidy: Nampirehetin’ny « Soron’afo » ny fitiavana…
Tanora ao anatin’ny hafanam-po, iray vina, iray tanjona. Zava-nisy sy niainanana nandritra ny antsa tononkalo « Soron’afo » niarahana tamin’ny Faribolana Sandratra Tsiroanomandidy ny sabotsy teo, tao amin’ny Cercle Germano Malagasy/Goethe-Zentrum Analakely.. Narehitry ny « Soron’afo » indray ilay fitiavana ny tononkalo sy ireo soa sy kanto tovozina ao aminy. Tahaka izany ihany koa […]





