Niezaka nanatsara hatrany ny mpikarakara ny NBJF hatramin’izay fito taona nisiany izay. Hiavakakely ny hetsika amin’ity taona ity, ankoatra ny fiovan’ny toerana hanaovana azy. Na eo aza anefa izany, tsy miova ny tanjona sy ny laza hatramin’izay. Hanomboka anio ary tsy hifarana raha tsy ny 10 avrily 2023, ny “Nosy […]
kolon-tsaina
Dihy “Tango” : hisy vahiny hizara ny traikefany
Hisy ny atrikasa momba ny Tango, hotanterahina eto Madagasikara, iarahana amin’ ny kalaza eran-tany eo amin’ ity karazana dihy ity. Anisan’ ny ho avy eto hizara ny traikefa sy ny fahaiza-manaony i Jeremy Vannereau sy William Garcin ary i Eric Franceries. Ny Académie Nationale des Arts et de la Culture […]
« Rindran-kira ho anao » : hasongadina ny hiran’ny omaly
Hiavaka tanteraka ! Rehefa nosokajiana, tafiditra ao anatin’ny hiran’ny omaly ny ho re avy eny an-tsehatra, ny alahady 16 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ ny CCEsca Antanimena. «Rindran-kira ho anao», seho ahitana ireo mpanakanto miangaly io karazan-kira io. Mpanakanto sy tarika maherin’ny folo no […]
Festival Miaraka : haikanto samihafa no handravaka ny hetsika
Fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana, indrindra ny eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina no anisan’ny tanjona amin’ity hetsika lehibe ity. Nisy ny vinan’ny mpikarakara hamondrona ny haikanto rehetra saingy ireo no tratra ny amin’ny fiaraha-miasa. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo, Andavamamba, ny “Festival Miaraka”, andiany fahatelo. […]
Seho fankalazana ny faha-90 taona: mbola mitana tsara i Henry Ratsimbazafy !
Niaiky azy ny rehetra… 90 taona, fa mbola mahazaka sehatra tsara i Henry Ratsimbazafy. Nandona ny fon’ny mpankafy indray ny nahita azy an-tsehatra, omaly… Fampisehoana nanjakan’ny fihetseham-po tanteraka. Ny fahitana an’i Henry Ratsimbazafy nijoro teo amin’ny sehatry ny CCEsca Antanimena fotsiny, dia efa nampihoraka ireo mpankafy nameno ny trano. Hatramin’ny […]




