kolon-tsaina

SÔRONGO 2023 : fantatra avokoa ireo mpanakanto

«Ambanja rendez-vous», hoy ny hiran’ny Dr JB. Fotoana ifanomezana tokoa ny «Festival Sôrogno” isan-taona. Nanatombo ireo mpanakanto handray anjara amin’ity. Anisan’ireo «festival» ankavitsiana tsy niato hatramin’izay nisiany ny «Sôrogno  any Ambanja. Antony iray mampipetraka ny lazan’ity hetsika ara-kolontsaina sy ara-toekarena ity ny fiomanana mialohan’ny fotoana. 3 volana mahery alohan’ny fotoana […]

Hiragasy: tsara fanombohana ny tsena

Volana jona, ao anatiny tanteraka ny fampisehoana adin-kiragasy… «Tsara fa­nombohana kokoa ny tsena raha oharina tamin’ny taon-dasa», hoy i Dadafara, iray amin’ireo mpikarakara seho eo amin’ny tontolon’ity zavakanto malagasy ity. Raha ny fanazavany hatrany, somary nitodika tamin’ny hiragasy ny Malagasy noho ny fanentanana natao azy ireny ho any amin’ny fiverenana […]

Fifaninanana bagasy : lasan’ny Dimy sy Fito ny amboara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny famaranana ilay fifaninanan-kira bagasy nokarakarain’ny Sehatra Bagasy nampitondraina ny lohateny « Tsara hira tsara mozika ». Fifaninanana andiany voalohany izy ity, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. « No­dy ventiny ny rano nantsakaina ka nahazoanay ny laharana voalohany izay mandrisika anay hiroso ha­trany », hoy kosa ny Dimy sy Fito […]

« Tontolo iray, kolontsaina iray » : hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Nosy roa tonta

Tontosa soa aman-tsara ny tetikasa “Tontolo iray, kolontsaina iray”, niarahan’i Ma­dagasikara sy Nouvelle Calé­donie. Tetikasa nanatanterahana ny fifanakalozana ara-kolontsaina teo amin’ny roa tonta, nandritra ny 15 andro teto Madagasikara. Ny Ivon­toeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) no nisolo tena ny Malagasy tamin’izany, raha ny Centre Culturel Goa ma Bwarhat (CCGMB) kosa ny […]