kolon-tsaina

Madagaslam : anisan’ny mitaiza sy manabe ny Slam

Tontosaina anio, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny hetsika “Scène Slam”, fanaon’ny IFM miaraka amin’ny fikambanana Madagaslam, isaky ny sabotsy voalohany amin’ny volana. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra mandritra ity seho ity. Misy kosa ny fepetra sy ny fitsipika fandraisana anjara hisian’ny firindrana mandritra ny fampisehoana. […]

60 taona niangaliana ny bagasy : hizara ny traikefany amin’ny tendry gitara i Kolibera

Andrarezin’ny tendry gitara. Azo fehezina amin’izay raha hiresaka ny momba an’i Kolibera. Feno 60 taona mantsy izao no nifehezany izany tendry gitara bagasy izany. Mbola manohy hatrany izy, kanefa tsy mitsahatra ny mizara ny traikefany ihany koa. Tafiditra anatin’izay fampitana talenta izay ny atrikasa bagasy, izay hotarihiny ra­hampitso, etsy amin’ny […]

Fanehoana voka-pikarohana : nahavita ny « Valiha tory roapolo » i JoanValiha57

Nitombo iray indray ny voka-pikarohana momba ny valiha. Tsy najanon’i JoanValiha57 teo amin’ny tory folo ny valiha fa novelariny tamin’ny tory roapolo. Milaza ny heviny sy mampahafantatra ity zava-baovao ity izy… Fikarohana tao anatin’ny taona maro ! «Tendry Valiha tory roapolo in­dray no fikarohana vitako. JoanValiha57 ny anarana nosafidiko hilalao […]

Fikambanana Ranovory: mivoy ny haiady sy kolontsaina malagasy

Fikambanana mifototra amin’ny fandalana ny kolon­tsaina, ny fivoizana ny haiady malagasy ary ny zara hasina ny Ranovory. Toy ny fanao isan-taona, hisy ny fifampiarahabana noho ny taom-baovao malagasy, izay hotontosain’ny fikambanana ny 2 avrily ho avy izao, eny amn’ny INJ Carion, manomboka amin’ny 9 ora maraina. « Hanasanay ireo mpikambana rehetra, […]