Nifarana, omaly, ny « Valiha sy ny Fizahantany » na ilay fampiofanana ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany, nanatevim-pahalalana momba ny kolontsaina malagasy. Niompana tanteraka tamin’ny fampahafantarana ny valiha (zavamaneno malagasy) ny fampianarana. « Satria, fahita manerana an’i Madagasikara ny valiha. Iray amin’ireo singa mahasarika ny mpizahantany, tahaka ny ravinala, ny baobab, sns. […]
kolon-tsaina
Jobily volamena sy Amboaran-kira Paska : hanolotra ny « Hery iray » ny Chorale Orimbato
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taona nijoroany. Hanatanteraka antsa Paska ny antokompihira Orimbato ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Ao anatin’ny jobily volamenan’ny Chorale Orimbato, hanolotra ny Amboarankira Paska ho fankalazana ny Paska 2023 izy ireo. Fampisehoana nosalorana ny lohateny « Hery iray ». Nankinina amin’ny Soratra Masina araka ny 2 Korintiana […]
Tononkalo : hisy ny atrikasa ho an’ny fanoratana
Hotontosaina anio, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, ny atrikasa “Torolalana ho an’ny fanoratana tononkalo”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Famoloana Telozoro, miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Andrianimerina Hobiana, poeta sy mpanoratra, no hitondra ny famelabelarana. Tanjona ny fanarenana ny literatiora malagasy sy ny haikanto, indrindra ny teny malagasy. Mitohy […]
Hira evanjelika : Ankohonana iray mandrafitra ny tarika « Ny toa azy »
Ray sy renim-pianakaviana miaraka amin’ireo zanaka nateraka ! “Ny toa azy”, tarika hivondronan’ny ankohonana iray resy lahatra amin’ny antson’ Andriamanitra ny amin’ny hitoriana mandrakariva ny teny soa mahafaly amin’ny alalan’ny fampiasana ny talenta notovanana fianarana sy fandalinana norantovina tamin’ireo mpahay sy mpitendry mozika efa matihanina. Ny taona 2021 no nijoro ny […]
Kintan’ny Fanilo mikabary : navoaka ny andia « Mazava »
« Manandratra ny Zava-masina ho Vatsy » na ny « Mazava ». Ho an’ny Fikambanan’ny Kintan’ny Fanilo mikabary, andiany fahefatra navoakan-dry zareo ny « Mazava » nahitana 35 mianadahy. Niofana nandritra ny enim-bolana izy ireto. Nianarana ny kabary fototra, ny kabary am-panambadiana ary ny kabary an-karatsiana. Nasongadin’ny filoham-boninahitry ny Kintan’ny […]




