kolon-tsaina

Rakikira vaovao : « Ravitoto », anehoan’i Bolo ny tsiron’ny mozikany…

Vita ihany ! Tsy noteren-ko masaka anefa, fa narahin’i Bolo tamin’ny onjany teny. Nisy “Noana” ireo efa ela niandrasana, kanefa afa-po rehefa avy nianoka ny “Ravitoto”, rakikira voalohan’i Bolo. Tsia, tsy resaka sakafo akory ilay « Ravitoto ». Eny, misy idirany ihany koa anefa… Rehefa noketrehina ela, masaka ny “Ravitoto”, rakikiran’i Bolo voalohany, izay […]

Faribolana Sandratra : narahina « Alimbetso » ny « Zarafanahy » XII

Tolakandron’ny asabotsy 25 marsa teo, nafana ny fihaonan’ny « mpiraifaribolana » sy ny mpanatrika mpitia asa soratra, tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM / GZ) tohatohabaton’Antani­na­renina. Tafaraka sy nifandimby teny an-tsehatra ireo mpanoratra 13 mianadahy avy ao amin’ny Faribolana Sandra­tra. Samy naneho ny talentany amin’ny fanoratana sy fiantsana ny tsirairay. Ireo sanganasa anisan’ny […]

Taria Mikabary : nivoaka ny andia « Miray »

Notontosaina, omaly, teny Ambatobe ny lanonam-pa­moahana ny andia « Miray », mpikabary niofana tao amin’ny Taria Mikabary. Andiany faha-4 navoakan’ity fikambanana ity izy 19 mianadahy ire­to, raha ny fanazavan-dRajoe­lison Dimby Tahiana, filohany. Tazana ao anatin’ny andia « Miray » avokoa ny sokajy taninkentsa, mpiofana, mpandalina ary ny mpampianatra. Niavaka noho ireo teo aloha izy […]