kolon-tsaina

Ezaka mandeha ila : mitaky fahasahiana ny fampitiavana ny teny malagasy

Mbola ao anatin’ny «Volan’ ny teny malagasy». Tsy tafajanona eo amin’ny tsy fampiasana ny teny malagasy intsony ny Malagasy fa efa tonga amin’ny fankahalana na tsy fitiavana azy io mihitsy. Mitaky fahasahiana isan-tsehatra ny fanarenana izay lesoka izay. Ny ray aman-dreny ao amin’ny ankohonana, ohatra, no manatanteraka izany voalohany. Miteny, […]

Fifaninanan-kira: hifarana ny «Tsara hira, tsara mozika»

Voahaja tsara ny lamina napetraka ! Faran’ny volana marsa, tapitra ny fisoratana anarana. Voalohan’ny volana avrily ka hatramin’ny 3 jona, notanterahina ireo dingana telo tsy maintsy nizoran’ny mpifaninana. Ny 10 jona izao, tonga eo amin’ny dingan’ny famaranana ilay fifaninanana «Tsara hira, tsara mozika» karakara­in’ny Sehatra Ba Gasy. Ao amin’ny efitrano […]

Mpanakanto iraisam-pirenena : hanolotra seho tokana ho an’ ny Malagasy i Maître Gims

Tombony lehibe ho an’ny haikanto malagasy ny fanatontosan’ny vahiny mpanakanto fampisehoana eto Madagasikara tahaka izao. Fotoana ahafahana mivelatra sy maneho ny maha izy ny kanto malagasy izany. Tontosa, omaly talata, teny amin’ny Galaxy An­draharo, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny momba ny fampisehoana hotontosain’i Maître Gims eto Madagasi­kara. […]

Madagascourt Film Festival : misokatra ny andiany faha-18

Efa misokatra ho an’ny manam-pikasana handray anjara amin’ny « Madagas­court Film Festival”, andiany faha-18, ny fandraisana anjara. Ity hetsika lehibe ho an’ny horonantsarimihetsika malagasy ity izay hotanterahina ny 18 hatramin’ny 26 novambra 2023. Ny 23 jolay 2023 ny fara fisoratana anarana amin’izany. Mizara efatra ny sokajy ahafahana mandray anjara amin’ny fifaninanana mandritra ny “Madagascourt Film Festi­val” andiany […]

“Fady kambana” : hetsika miaro ny zon’ny ankizy

Tontosaina eny amin’ny Institut Français de Mada­gas­car, IFM Analakely ny fampirantiana sary mampahafantatra ny momba ny fomba malagasy, fitaizana kambana. Mitondra ny lohateny hoe “Fady kambana” ity fampirantiana ity. Ma­nom­boka anio ary tsy hifarana raha tsy ny 30 jona 2023 ny hetsika. Tanjona ny hampahafantarana izany fomba malagasy izany. Tafiditra […]