«International Catering Cup» 2025 na «Coupe du monde des traiteurs» 2025. Tsy nitsanga-menatra ny solontena Malagasy nandray anjara tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena lehibe momba ny fandrahoan-tsakafo sy ny tontolony ity. Azon’ny ekipa notarihin’i Chef Lalaina Ravelomanana nahitana an’i Cheffe Fenosoa Rahajamalala sy Cheffe Bodo Rakotovao ny laharana voalohany maneran-tany, teo amin’ny […]
kolon-tsaina
Fomban-drazana : Mitohy ny fampahafantarana
24 janoary, Andro iraisam-pirenena ho an’ny kolontsaina afrikanina, omaly. Tsy mba nanamarika izany i Madagasikara hatramin’izay, kanefa dia fotoana iray fanehoana ny fototra, ny fomba ny fiizina ary ny kolontsain’ny firenena afrikanina izy ity. Nanao hetsika kosa ireo mpandala ny fomban-drazana, ka nanao diabe niakatra teny Anatirova. Narahin’ny fanehoana ny […]
Nohavaozina ny fiaraha-miasa : Lion Hill, masoivohon’ny Orange Madagascar
Nety ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Havaozina izany ho an’ny taona 2025, ka hitondra teny sy hisolo tena ny Orange Madagascar hatrany i Lion Hill. Anisan’ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana izao i Lion Hill. Tanora manana vina sy firehana mifanaraka amin’ny fijerin’ny Orange Madagascar, nosafidian’ity farany ho ambasadaorony, nanomboka […]
TARATRY ny KANTO
Le Manana, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Manomboka amin’ny 8 ora alina ity fiarahana ity, anio. Hizara ny mozika folk misy fototra malagasy, ity mpanakanto ity. Mozika miaina, efa nentin’i Le Manana tanatin’ny tarika Takasy Hasy sy nalefany hisedra ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena izy ireny. Nakatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ny […]
“Tena matotra”: Nalahatr’ireo mpankafy ny hiran’i Njakatiana
I Njakatiana, araka ny nitiavan’ny mpankafy hatramin’izay… Izay raha tsotsorina ny endrik’ilay fampisehoana “Tena matotra”, hataon’ity mpanakanto ity ny 16 febroary izao, etsy amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. “Nisy fanontaniana napetraka tamin’ireo mpankafy, izay hira tena handrasan’izy ireo amin’ ny fampisehoana lehibe hataon’i Njakatiana tato ho ato. […]