kolon-tsaina

Arivonimamo : Telo andro anaty lanonana

Nampitondraina ny lohahevitra « Zanak’Imamo mifety » ny lanonana hateloana hanamarihana ny fetin’ny Paka any Arivonimamo. Sabotsy 4 avrily, alahady 5 avrily, ary ny Alatsinain’ny Paka 2026 ho avy izao, miraka amin’ny Fikambanana zanak’Imamo. Sabotsy 4 avrily, filaharambe mitety tanàna, manomboka amin’ny 7 ora maraina, andraisan’ny vahoakan’Arivonimamo tsy ankanavaka anjara. Arahina fifaninanana […]

Fampivelarana ny maha Malagasy: Tontosaina any Paris ny « Soratononina 2026 »

23 taona aty aoriana… Mitohy hatrany ny fifaninanana « Soratononina » karakarain’ny fikambanana Kolo Malagasy. Ny lohahevitra no miovaova fa ny tanjona voatazona hatrany. Anio 28 marsa, ao amin’ny Institut national des langues et civilisations orientales Inalco – Paris 13e , no hanatanterahina ny «Sora­tononina 2026». Ahitana ny sokajy I, ho an’ireo […]

Alatsinain’ny Paka ao Antsirabe : Hiaka-tsehatra ny Randrampeo Fiderana

Hiavaka ny alatsinain’ny Paka any Antsirabe. Hana­tanteraka seho an-tsehatra any an-toerana, ny 6 avrily tontolo andro, ny Randrampeo Fiderana. Hatao ao amin’ny Kianja Maitso Spam Antsirabe izany. Hanomboka amin’ny 9 ora ny seho, araka ny nambaran’ireo mpikambana eo anivon’ny tarika sy ireo mpitandrina, tetsy amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, omaly. « Hialoha­van’ny […]

« Kanto Miampita »: Revy Mahaleo amin’ny fomba hafa…

Efa mitoetra mandrakizay ny sanganasan-dry Mahaleo. Endrika iray hitohizan’izany ny « Kanto Miampita », ifarimbonana mpanakanto maroloko. Rojo Ny Avo manao ny « Ry Tompo ». Silo mivazo ny « Fasan’ada­la ». « Iantrao » niarahan’i Nanie sy Tolotra, Bodo miventy ny « Tongava re ». Nifa­rimbonana ny « Faribo­lana », sns. Santionany tamin’ny famerenana nataon’ireo mpanakanto hanafana ny « Kanto Miampita » an-tsehatra […]