kolon-tsaina

Fakafaka: «Tsy mbola afaka, tsy mbola mahaleo tena isika» !

Nazava be io tenin’i Dama (Tarika Mahaleo) io, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fampisehoana notontosain’izy ireo tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina. «Mbola manao tolom-pahafahana isika. Tsy mbola afaka sy tsy mbola mahaleo tena isika», hoy izy. Notohizany tamin’ny hoe : «Aoka tsy hiandrasana ny hafa ny hanavotra antsika […]

AFT : andiany faha-5 ny « Championnat de lecture »

Raikitra ! Hotanterahina ny 1 marsa ka hatramin’ny 11 marsa izao ny « Championnat de lecture » andiany faha-5, na ilay fifaninanana fahaiza-mamaky teny karakarain’ny Alliance Française Antanana­rivo. Ny 18 marsa kosa no hanatontosana ny famaranana. Hifarana ny 22 febroary izao kosa ny fisoratana anarana. Hizara telo ny sokajin-taonan’ny mpandray anjara : 9 ka […]

RFI Talent de rire 2022 : lasan’i Stephan Dipita ny amboara

Natolotra an’i Stephan Di­pita, mpanao hatsikana Came­rounais, ny amboara, vola 4 000 euros, natokana ho an’ny mpandresin’ny “Prix Talenbts du rire 2022” andiany fahavalo. Nandritra ny famaranana ny “Festival Abidjan Capitale du rire” tany Cote d’Ivoire, ny Alahady 12 febroary 2023 no nanatanterahina izany. Mitohy hatrany ny fanatanterahina ny vina apetraky […]

Fimpima 60 taona : alefa « Fb » ny « i-Zara fahendrena »

Tafiditra ao anatin’ny fankalazan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima) ny faha-60 taonany. Noforonina ny fandaharana « i-Zara fahendrena », karazam-panabeazana sy fitaizana ho an’ny rehetra mba ho tonga olom-banona sy hanome hasina ny kolontsaina maha malagasy. Fantatra fa amin’ny alalan’ny « Face­book » (Fb) no handefasana izany isan’andro. Amin’ny 6 ora maraina (Oran’i Madaga­sikara) […]

Prix RFI Talents du rire : ho fanandratana ny talenta vaovao

Nisokatra omaly ny “Fes­tival Abidjan Capitale du rire” andiany fahavalo. Tan­jon’ny hetsika ny hamoahana talenta vaovao eo amin’ny hatsikana aty amin’ny ranomasimbe indianina sy ny faritra karaiba. Mandritra ny lanonam-pamaranan’ity hetsika ity ny alahady izao ihany koa no hanolorana ny amboara ho an’i Stephan Dipita, izay nandrombaka ny « Prix RFI […]