kolon-tsaina

“Zaza Rap Taiza” : mifandetika ireo mpikarakara

Ambony, ambany… Tsy izay akory no anaran’ilay hetsika, fa “Zaza Rap Taiza”, ilay notontosaina tamin’ny 7 hatramin’ny 10 desambra tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Hetsika tokony ho goavana indrindra, satria tsy mbola nisy nanao ka nirina hampiakatra avo ny kolontsaina an-tanàn-dehibe amin’ny ankapobeny, indrindra ny tontolon’ny hip-hop […]

“Slumourap” : hetsika momba ny kolontsaina an-tanàn-dehibe

Tontosaina anio, eny amin’ny Madagascar Under­ground Antsahavola, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny hetsika Slumourap. He­tsika iray ahitana karazana zavakanto sy kolontsaina an-tanàn-dehibe telo. Ho hita taratra ao anatin’ity hetsika ity ny Slam Poésie sy Hatsikana ary mozika Rap. Fikamba­nana sy mpikarakara hetsika avy amin’ireo taranja ireo no mifarimbona manatanteraka […]

Manan-kasina sy manan-kery ny teny malagasy: « Ovaina io « Malgache » io raha te handroso », hoy Dr. R. Fabrice

« Iaraha-mahalala, tafahitsoka anaty fahantrana lalina ny firenena », hoy ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpitsabo, mpandinika fiarahamonina. Miainga amin’ny kolontsaina ny vahaolana heveriny fa mila atao maika. Dinika nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*) : Amin’ny maha mpitsabo sady mpandinika fiarahamonina. Inona ny vahaolana hamonjena ity Madagasi­kara ity ao anatin’izao fa­hantrana lalina izao ? Dr. […]

Gasy Stand Uppers: tafaverina ny “Men in Blagues”

Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsaha­vola ny hetsika “Men in Blagues”. Anio 10 febroary 2023, amin’ny 3 ora tolakandro hatramin’ny 5 ora hariva no hanatanterahana izany. Ny Gasy Stand Uppers mi­ara-miasa amin’ny IKM no mikarakara ny hetsika. Efa manomboka miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny hetsika ara-kolontsaina rehetra. […]

Zavamaneno Malagasy: “Efa mitady ho very ny jejo voatavo”, hoy i Fafah

Ankavitsiana sisa ireo tena mahafehy azy… zavamaneno tena malagasy ary ny betsileo ihany no nilalao ny jejo voatavo. Anisan’ireo mpitendry niezaka nikaroka, namorona ary manasongadina ity zavamaneno ity i Fafah jejo voatavo. Resadresaka manokana: Gazety Taratra (*): Ani­san’ireo mpanakanto miangaly ny jejo voatavo ianao. Mba azonao tantaraina amin’ny mpamaky ve […]