Taona maromaro lasa izay no namoaka ny vokatra voalohany, « Misy tody » ny trano mpamokatra sarimihetsika Gnoz Event. Fantatra kosa indray izao fa namoaka andian-tantara mitondra ny lohateny « Vona » izy ireo, izay mandeha ao amin’ny « Novegasy » amin’izao fotoana izao, ny alatsinainy hatramin’ny zoma, ary misy famerenana izay rehetra nandeha nandritra ny […]
kolon-tsaina
Heavy sy power: Metal Hizara ny mozikany ny tarika Zovy
Tontosa ny dingana voalohany hoan’ny tarika Zovy. Efa nivoaka ny rakikira, ary anatin’ny fampahafantarana amin’ny alalan’ny fiakarana an-tsehatra maromaro izy ireo. Hosantarina amin’ny asabotsy izao izany. Efa fotoana elaela no nampanantenaina ny rakikira voalohany. Tontosa izany, ka anatin’ ny fampahafantarana ny vokatra indrindra ny tarika Zovy. Hisy ny seho izay […]
Havàtsa-Upem : homarihina ny 21 febroary
Ny 21 febroary no tapaka maneran-tany fa ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenim-pirenena. Toy ny fanaony isan-taona, hanamarika izany ny Havàtsa-Upem, amin’ny alalan’ny fiantsana tononkalo amin’ny teny malagasy isam-paritra. Hetsika hotontosaina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Amphi 10, Fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy siansa maha olona (FLSH), manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ravahin’ny […]
Hetsika iraisam-pirenena: handray ny “Nosy Boraha Jazz Festival” i Sainte Marie
Andiany efatra izao no tontosa tamin’ny «Nosy Be jazz Festival», nohafohezina ho NBJF. Fantatra ny faran’ny herinandro lasa teo kosa fa hikisaka any Sainte Marie ny hetsika, ka hiofo ho “Nosy Boraha Jazz Festival” ny anarany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika izay nataon’ny komity mpikarakara tarihin’i Niry Ravelojaona, ny faran’ […]
Prix Paritana andiany fahafito: nampiofanina izay handray anjara amin’ny fifaninanana
Efa miroso tsikelikely amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana « Prix Paritana » andiany fahafito ny mpikarakara. Tsapa ny ezaka ataon’ny mpikarakara amin’ny fampandrosoana ity sehatra ity. Nahazo ny fampiofanana sahaza azy ireo mpandray anjara amin’ny fifaninanana «Prix Paritana» andiany fahafito. Fampiofanana nampahafantarana azy ireo mahakasika ny fifaninanana, ny fanomanana sy fikarakarana […]




