kolon-tsaina

Samis Esic : hanatanteraka fifaninanana dihy maoderina ny U-magis

Manatanteraka hetsika fifaninanana dihy maoderina ireo mpianatra eo anivon’ny U-magis, ao anatin’ny Samis Esic, Saint Michel Amparibe. Nambaran-dRandrianarisoa Tyffany Karine, anisan’ireo mpianatra mpikarakara fa «ny alarobia 22 febroary izao, amin’ny 1 ora sasany, ao amin’ny Amphithéâtre Ampa­ribe, no hanatontosana ny dingan’ny fifanintsanana ho an’ireo karazana dihy hifaninanana : «Billy dance», […]

Hatsikana : tafaverina ny “Sokaf’hehy”

Notontosaina ny Alarobia 15 febroary 2023, teny amin’ny Cercle Germano-Malagasy na CGM Analakely ny hetsika “Sokaf’hehy”. Hetsika fanaon’ny mpiangaly ny karazana hatsikana Stand up. Somary nisy fiatoana kely ny hetsika ary izao tafaverina izao indray. Ny volana novambra 2022 no nisian’ny hetsika “Sokaf’ hehy” farany, raha tsiahivina. Anton’izany ny fisian’ny […]

« Festival Surajkund » any Inde: mahaliana ny vahiny ny dihy sy mozika malagasy entin’ny Maf’B

Tsy mitsanga-menatra hatrany. Firenena ampolony maro no nandefa solontena any amin’ilay hetsika iraisam-pirenena “Festival Surajkund”, izay tontosaina any New-Dehli, Inde amin’ izao fotoana izao. “Festival Suraj­kund”, fihaonamben’ireo mpanakanto samy manandratra ny kolontsaina mampiavaka ny firenena niaviany. Misolo tena an’i Ma­dagasikara ny Mala­gasy Folkloric Band na ny Maf’B. Ivondronan’ireo mpanakanto mpihira, […]

Slam-Poésie : hiaka-tsehatra i Hichim

Tontosaina anio, eny amin’ny Madagascar Under­ground Antsahavola, ny he­tsika “The Blind date”, fampisehoana Slam-Poésie iarahana amin’i Hichim, tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny Slam-Poésie, taona 2022. Tanjona amin’ity fampisehoana ity ny fanomezana lanja manokana ny fitiavana. Hiaka-tsehatra indray i Hichim na Abdoul Anlim Abdillah, taorian’ny naha voahosotra ho tomponda­kan’i Madagasikara azy. Hiantsa […]

Esther R. Randriamamonjy: mivoaka ny boky « Fanamby II & III »

Nitombo iray indray ny boky mirakitra tantara noforonina. Namoaka ny « Fa­nam­by II & III » i Esther Rasoloarimalala Randria­mamonjy, mpikambana ma­hefa ao amin’ny Akademia Malagasy. Ao anatin’ny 200 pejy no namalian’ny mpanoratra ny fanontaniana : inona no niafaran’i Rindra sy i Hotiavina, mpandray anjara fototra ao amin’ny « Vainafo eo an-doha » ? Mirakitra ny […]