kolon-tsaina

Faribolana Sandratra : narahina « Alimbetso » ny « Zarafanahy » XII

Tolakandron’ny asabotsy 25 marsa teo, nafana ny fihaonan’ny « mpiraifaribolana » sy ny mpanatrika mpitia asa soratra, tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM / GZ) tohatohabaton’Antani­na­renina. Tafaraka sy nifandimby teny an-tsehatra ireo mpanoratra 13 mianadahy avy ao amin’ny Faribolana Sandra­tra. Samy naneho ny talentany amin’ny fanoratana sy fiantsana ny tsirairay. Ireo sanganasa anisan’ny […]

Taria Mikabary : nivoaka ny andia « Miray »

Notontosaina, omaly, teny Ambatobe ny lanonam-pa­moahana ny andia « Miray », mpikabary niofana tao amin’ny Taria Mikabary. Andiany faha-4 navoakan’ity fikambanana ity izy 19 mianadahy ire­to, raha ny fanazavan-dRajoe­lison Dimby Tahiana, filohany. Tazana ao anatin’ny andia « Miray » avokoa ny sokajy taninkentsa, mpiofana, mpandalina ary ny mpampianatra. Niavaka noho ireo teo aloha izy […]

STM JJ Rabearivelo: efa taratra ny hoavin’ny teatra malagasy

Somary nangingina ny sehatry ny teatra malagasy tao anatin’ny taona vitsivitsy. Manomboka miverina maka ny toerany kosa izy ankehitriny. Mbola tafapetraka amin’ny maha izy azy ny teatra ary mbola maro ihany koa ny mpankafy. Tontosa ny Alahady 26 marsa 2023, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo, AFT Anda­va­mamba, ny fampisehoana nampitondraina […]

Fifaninanana : hisy ny “The Voice Africa”

Hiseho amin’ny fahitalavitra ny 26 marsa 2023 ny fifaninanana «The Voice Africa», fampisehoana hanehoana ny talentan’ireo tanora afrikanina. Fifaninanana tohanan’ny Airtel Africa miaraka amin’ny ”Fame Studios Africa” hanehoana ny fandaharana, hita amin’ny fahitalavitra maimaimpoana sy Airtel TV. 78 804 no efa nisoratra anarana hifaninanana, avy amin’ny firenena maro aty Afrika, anisan’izany […]