kolon-tsaina

Slam-poésie: hiverina ny fifaninanana an-tsekoly

Hiverina ny fifaninanana Slam eny anivon’ny sekoly. Ny “Slam-poésie” izay anisan’ny fantsona afaka mampita fanabeazana sy fahalalana. Hisy indray ny «Tournoi inter-établissement», eo amin’ny Slam-poésie, karakarain’ny Alliance Française d’Antananarivo, Aft Andavamamba miaraka amin’ ny fikambanana Madagaslam. Ny ankizy sy tanora 13 hatramin’ny 17 taona, eny anivon’ny sekoly no hasaina handray […]

26 marsa 2023 : 200 taona ny lalàn’ny abidia malagasy

Raha ny tantara voasoratra, ny mpanjaka Radama I, no namoaka ny lalàna momba ny abidia malagasy ny 26 marsa 1823. Anisan’ny hanamarika io vanim-potoana lehibe io ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra Malagasy, Havàtsa-Upem. Hetsika ho­tan­terahina ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hevi-dehibe hiompanan’ny […]

Tohin’ny fanamarihana ny faha-70 taona: hivelatra kokoa ny « Star Tour » any Antsirabe

Efa fotoam-bita ! Raikitra indray ny « Star Tour » any Antsirabe, izay hanokafana ny amin’ity taona ity. Mipetraka hatrany ny fanamby goavana ho an’ny mpikarakara. Anatin’ny fanamarihana ny faha-70 taonan’ny Star avokoa ny hetsika rehetra amin’ity taona ity. Mba hampiavaka izany, hivelatra kokoa noho ny mahazatra isan-taona ny « Star Tour ». Hano­mboka ao […]

Hatsikana: hiaka-tsehatra indray i Lolosy Bonatsara

Mitohy hatrany ny hetsika “Hanomano Show, one man show”, iarahana amin’i Lo­losy Bonatsara. Ny Sa­gittarius Madagascar, toha­nan’ny ivontoerana miantsoroka ny fampiroboroboana ny kolontsaina no mikarakara ny hetsika. Eny amin’ny ADMC CRAAM Ankatso indray no hanatanterahana ny seho amin’ity anio ity. “Zay fotsiny e !” no lohateny sy teny enti-manentana ny […]

Fankalazana ny Taombaovao : nanome lanja manokana ny lambalandy ny Maiha

Anisan’ireo nanamarika, tahaka ny fanaony isan-taona ny taombaovao ny eo anivon’ny Malagasy iray hasina (Maiha). Hifarana anio ny hetsika fampirantiana ataon’izy ireo momba izany. Nosa­fidiana manokana tamin’ity indray mandeha ity ny momba ny lambalandy. “Anisan’ny manana ny lanjany sy hasiny teo amintsika izany. Misy dikany avokoa ny sorany sy ny […]