kolon-tsaina

Fiarovana ny ala sy kolontsaina : hisokatra ny hetsika « Feon’Ala »

Tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana sy fampivelarana ny kolontsaina saha­nin’ny La Teinturerie, hosoka­fana ny 11 janoary izao, ao amin’ny Isart Ampasanimalo ny hetsika «Feon’Ala». Fi­farimbonana mpanakanto misahana taranjan-javakanto samihafa no haneho ny maha sarobidy ny ala sy ny akon’ny fisiany eo amin’ny fiainan’ny tsirairay. I Alexia Webster hisahana ny saripika, i […]

Fanafanana fety aman-danonana: raha tsy namorona ny teo aloha, sahirana ny ankehitriny

Efa zary raikitra ao anatin’ny fiainam-piarahamonina malagasy ny manao « fety » rehefa mandalo ireo vanim-potoana heverina fa lehibe. Matetika, misy hatrany ny mpihira na tarika manafana azy ireny. Ny tena zava-misy marina… Ao anatin’ny ora maromaro, mandihy, mitotorebika, mitsinjaka, mihira, sns, satria misy ny mpihira manafana ny efitrano. Isaky […]

Miss University Africa: efa mandeha ny fifaninanana

Ny volana novambra 2022, no efa nanomboka ny fifaninanana tao amin’ny tambajotra sosialy. Tamin’ny alalan’ny fanohanana amin’ny sarin’ny mpifaninana no nisehoan’izany fifaninanana izany. Mandray anjara amin’ny “Miss Univer­sity Africa” i Madagasikara. Misolo tena ny mpianatra avy amin’ny oniversite eto Madagasikara, amin’izao fifaninanana izao i Andriamoria Harikanto Morgane. Izy izay voafidy […]

Sarimihetsika malagasy: hiverina indray ny “Malok’ila”

Hafaliana no nandraisan’ny mpankafy ity horonantsary ity ny fanambarana nataon’ny orinasa mpamokatra azy, tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra manao hoe “Malok’ila, le grand retour”. Ny talata 3 janoary 2023 no namoahan’ny trano mpamokatra ny fanehoan-kevitra ofisialy, na dia efa nisy aza ny siosion-dresaka nialoha izay. Horonantsary isan’ny nahaliana ny Mala­gasy izy ity […]

Boky : hivoaka ny « Toe-tsaina mpandraharaha »

Hivoaka tsy ho ela ny boky «  Toe-tsaina mpandraharaha » nosora­tan’Andria­no­­menjanahary Fameno An­tenaina na Nel Cael. Boky 80 pejy, hanentanana ny tanora hiroso amin’ny famoronana asa. Maneho momba ny toe-tsain’ny mpandraharaha ma­homby. “Hamoha sy hanaitra ilay mpandraharaha ao anatin’ny tsirairay mba hahay hamorona asa sy handraharaha eto amin’ny firenena ary hambolena […]