kolon-tsaina

Foto-pisainana malagasy : tsy fakana taranaka fotsiny ny vehivavy

«Ny hanambadian-kiterahana», hoy ny oha-pitenenana malagasy. Tena tsy niala lavitra izay tokoa ny nandraisan’ny fiarahamonina malagasy ny vehivavy. Loharanon-taranaka ahazoana ny ho dimby sy ny ho fara. Zava-dehibe tsy voavidy vola na voasandan-javatra hafa ny taranaka ho an’ny Malagasy. Sokajina ho faraidiny ny vehivavy mom­ba. Maro anefa ireo diso hevitra […]

Tsenan’ny mozika : kitihin’ny any ivelany ry Takasy Hasy

Mamiratra maneran-tany ny mozika malagasy ! Vao avy nanaporofo izany indray ny tarika Takasy Hasy sy i Vakamiarina, izay nahazo ny laharana fahatelo tamin’ilay « World Music Trophy », notontosaina tany Texas. Ni­haona tamin’ny mpanao gazety, nitantara ny zava-nisy tany an-toerana ny tarika Takasy Hasy ny faran’ny herinandro teo. “Efa maromaro ireo mpikarakara […]

Ho fanamarihana ny 8 marsa : hamoaka ny rakikira « Mangina » i Ngita

Ngita no anarany… Mpa­na­kanto malagasy, mpamorona sy mpihira, avy any amin’iny faritra Atsimo Atsina­nana iny. Mety vitsy no mahalala azy, satria monina any Frantsa rahateo i Ngita. Ireo sanganasany kosa anefa efa maro no re maneran-tany, satria mitrandraka indrindra izay “World mu­sic” izay izy. Tamin’ny taona 2011 no namoahan’i Ngita […]

Slam Tana : manomboka ny fifaninanana ho an’ny matihanina

Atomboka amin’ny fomba ofisialy, mandritra ny fampisehoana ao amin’ny Intsitut français de Madagascar (IFM) Ana­lakely, ny hetsika “Slam mastering contest de Tanà”. Fampisehoana isan’ny sangany, indrindra ho an’ny mpiangaly Slam. Miisa 5 ny mpifaninana. Hisy ny loka avy amin’ny Ma­da­gaslam section Tana (MST) atolotra ho an’ny mpandresy. Fifaninanana Slam iha­onan’ny […]

Teatra “Vakivakim-piainana”: manantena ny mbola hisian’ny hetsika ny mpankafy

Fahombiazana tanteraka no azon’ny mpikarakara ny hetsika “teatra vakivakim- piainana”. Maro tamin’ny mpankafy no mangataka ny hamerenana ny hetsika noho izy ireo tsy tafiditra intsony. Tontosa omaly, teny amin’ny Ivonkolo Analakely ny fampisehoana an-dapihazo “Teatra Vakivakim-piainana”. Ny fikambanana Ako no nampiaina mivantana ity tantara foronina ity. Feno ny efitrano fampisehoana, […]