kolon-tsaina

Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina : « Fanatontosana fomba ara-pinoana… Tsy tokony hisy ny fifanitsahana »

Manoloana ny zava-niseho teny Ambohimanga, ny 29 desambra 2022 teo, nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny tale misahana ny fifandraisana amin’ny daholobe, ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. «Manoloana ny tranga niseho teny amin’ireo doany eny amin’ny Vohitr’ Ambohimanga farany teo ka nanaovan’ny tobim-pifohazana diabem-panafahana dia mahatsiaro ho manana adidy ny minisiteran’ny […]

Mifanimbazimba ny samy Malagasy: niteraka resabe ny zava-niseho teny Ambohimanga

Vao niatomboka andro vitsy ny taona 2023, nipoirana zava-mahavariana teny Ambohimanga, araka ny voalaza sy miparitaka be ao anaty tambajotran-tserasera. Voalaza fa nisy nametaveta ireo toerana manan-kasina. Niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera samihafa ny vaovao nilaza fa : «Fotoana manan-tantara ny andro androany 29 desambra teny Ambohimanga izay niarahana tamin’ny tobim-pifohazana […]