kolon-tsaina

Slam Malagasy : mankalaza ny faha-15 taonany

Ao anatin’ny fankalazana ny faha -15 taonany ny fikambanana Madagaslam. Nanom­boka ny desambra 2022 ary tsy hifarana raha tsy amin’ny volana desambra 2023 ny fankalazana. Maro ny vina sy hetsika miavaka kasaina ho tanterahina hanamarihana iza­ny fankalazana izany amin’io taona io. Hisy ny famerenana ny fifaninanana andraisan’ny sekoly ambaratonga faharoa […]

Vina taona 2023 : hisy ny fihaonamben’ny mpampianatra valiha

Iray amin’ireo zavamaneno hita manerana an’i Mada­gasikara ny valiha. Miha maro ny efa liana aminy, indrindra fa ny Malagasy. Tsy vitsy ireo niroso amin’ny fampianarana azy ity. Vokatr’izay, samy manana ny fomba heveriny fa hoenti-mampita fahalalana ny mpampianatra tsirairay. Taha­ka izany ihany koa ny fandaharam-pianarana. Mba hampifanatona akaikikaiky kokoa ireo […]

“Mizara hafalina” : nahaliana ny olona ny hetsika

Notanterahina teny amin’iny faritra Ambohidratrimo sy ny manodidina iny, ny zoma 30 desambra 2022, ny hetsika “Mizara hafalina”. Dihy va­ko­drazana, niarahana tamin’ny tarika Bakomanga, noravahana lalao sy fanentanana no naseho nandritra ny hetsika. Tanjona ny hampahafantarana sy ny hameloma-maso ny kolontsaina malagasy, ankoatra ny fifampizarana hafalina, hoy ny mpikarakara. Anjaran’ny […]

Teren’ny tsy fisiana asa: mihamaro ireo mpitsoka mozika an-dalambe

Raha mbola eto Antananarivo, tsy nisy tsy nahatsikaritra ireo mpitsoka mozika etsy sy eroa. Nihamaro izany amin’izao vanim-potoan’ny fety izao, ary mbola hihabetsaka amin’io fifampiarahabana noho ny taom-baovao io. Fahasahirana anefa ny ao ambadik’izany… Nahitana azy ireny foana isan-taona, rehefa manakaiky ny fetin’ny faran’ny taona, fa indrindra ny voalohan’ny taona. […]

« Noelin’ilay fanjakana »: Seho miaraka amin’ny Sa.mi.a

Mitohy hatrany ny fankalazana ny Krismasy 2022 ao amin’ny FJKM Am­bodihady vaovao Am­bohi­manarina. Mbola ha­natanteraka izany anio ha­riva, manomboka amin’ny 6 ora sy 20mn ny rantsana Sekoly Alahady Mihira Ambodihady (S.a.mi.a). Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana hotanterahin’ireto ankizy sy tanora ireto eny an-tsehatra ny fiantsana tononkalo, ny tsianjery, ny « commédie musicale »… […]