Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsahavola ny hetsika “Men in Blagues”. Anio 10 febroary 2023, amin’ny 3 ora tolakandro hatramin’ny 5 ora hariva no hanatanterahana izany. Ny Gasy Stand Uppers miara-miasa amin’ny IKM no mikarakara ny hetsika. Efa manomboka miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny hetsika ara-kolontsaina rehetra. […]
kolon-tsaina
Zavamaneno Malagasy: “Efa mitady ho very ny jejo voatavo”, hoy i Fafah
Ankavitsiana sisa ireo tena mahafehy azy… zavamaneno tena malagasy ary ny betsileo ihany no nilalao ny jejo voatavo. Anisan’ireo mpitendry niezaka nikaroka, namorona ary manasongadina ity zavamaneno ity i Fafah jejo voatavo. Resadresaka manokana: Gazety Taratra (*): Anisan’ireo mpanakanto miangaly ny jejo voatavo ianao. Mba azonao tantaraina amin’ny mpamaky ve […]
Madagaslam Section Tana: mitohy ny fampiroboroboana ny Slam Poésie
Hanatanteraka atrikasa mahakasika ny Slam Poésie ny Madagaslam Section Tananarive na MST. Ny asabotsy 11 febroary 2023, amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny Cercle Germano -Malagasy na CGM Analakely. Tajero sy Seth Seven no hizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony amin’io fotoana io. Hetsika natao hamaliana ny filàn’ireo mpankafy sy […]
Rehefa nohasarotina… : lany andro mikaroka ny hevitry ny « kanto » ny Malagasy
Manomboka mifanaretsaka ny hevitra samihafa. Mipoitra etsy sy eroa ireo fanontaniana maro. Samy manezaka sy mandroritra ny fahalalana ao aminy ny tsirairay. Tsy mitovy rahateo ny sehatra niaingana, hany ka tsy mety mifameno ny hevitra. Raikitra ny : « ireny ka tena zavakanto » ! « Izany ka tena mpanakanto » ! « Kanto tokoa ny zava-bitan’iny olona […]
IKM Antsahavola: hankalaza ny faha 10 taonany
Ivotoerana iray mampiroborobo sy miantsoroka ny fanandratana ny kolontsaina ny Ivotoeranan’ny Kolontsaina Malagasy na IKM eny Antsahavola. Mankalaza ny faha 10 taonany ity ivotoerana ity amin’ity taona 2023 ity. Tanjona napetraka hatramin’izay ny fanabeazana amin’ny alalan’ny kolontsaina. Dingana sy vina maro no napetraka sy notanterahin’ny IKM Antsahavola tao anatin’izay fotoana […]





