kolon-tsaina

“Ho nofy ihany” : efa fantatra ny datin’ny fampirantiana

Taorian’ny fotoana lava niandrasana, fantatra fa amin’ ny volana Avrily 2023 no ha­na­tanterahan-dRandria­nari­velo Mahefa Dimbiniaina ny fampirantiany, eny amin’ny Institut Français de Madagas­car na IFM Analakely. Izy izay mpaka sary mpandresin’ny “Prix Paritana 2022”, tamin’ ny alalan’ny tetikasany “Ho nofy ihany”. Mbola any Frantsa, avy namita fampirantiana moa ity mpandresin’ny […]

Sehatra bagasy : hanatanteraka atrikefa i Fidimalala

Mpanakanto malagasy zokiny indrindra sady mihira no mitendry gitara. Ny asabotsy 4 febroary izao, ma­nom­boka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Ivokolo IKM An­tsahavola, hanatanteraka atrikefa bagasy i Fidimalala. Lohahevitra amin’ity hetsika karakarain’ny Sehatra bagasy ity ny hoe : « Ny dian’ny mpanakanto malagasy nitondra ny bagasy tany an-dafy (1950-1960) : Ranaivo-Ranarivelo, […]

“RDJ Mozika”: ny sanganasany no hifidianana ireo mpanakanto

Hankasitrahana amin’ny asa vitany ny mpanakanto sy ireo miasa manodidina izany. Amporisihina hanolotra ny tsara kokoa hatrany, satria izay no tanjona amin’ny “RDJ Mozika”. Efa samy miandry fatratra ireo mpanakanto! Fotoana iray hitsaran’ ny mpankafy, fa hahafahan’ny mpanakanto manao tomban’ ezaky ny zava-bitany nandritra ny taona nivalona ihany koa ny […]

Rovan’i Madagasikara : natomboka ny asa fanarenana ny fiangonana

Harenina haingana, saingy manara-penitra. Araka ny tapaka nandritra ny Filan­kevitry ny minisitra farany teo, hatao faran’izay haingana ny fanarenana ny tilikambon’ny fiangonana protestanta ao Anatirova. Tonga nitsirika ny fanombohan’izany asa maika izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, omaly, nomban’ireo solontenan’ny Andriana Merina. «Efa ta­zantsika manomboka io ny fanarenana […]

« Tamatave Midera »: nanaka-danitra ny fiderana an-kira

«Tsy mbola nisy seho fiderana goavana toa ity teto Toamasina», hoy ny namba­ran’ny mpanentana… mikasika ilay fampisehoana «Tama­tave Midera”, notontosaina ny takarivan’ny alahady teo, ankalamanjana nanoloana ny Hôtel de Ville io. Nanomboka ny hetsika ireo fanentanana isan-karazany, narahin’ny soradihy nataon’ny Union mpandihy Tamatave. Nifan­dimby kosa taorian’izay ireo antoko mpihira avy […]