kolon-tsaina

Prix RFI Talents du rire 2022 : lasan’i Stephan Dipita ny amboara

Voafidin’ny mpitsara ho mpandresin’ny “Prix RFI Talents du rire 2022” andiany fahavalo i Stephan Dipita, mpanao hatsikana avy ao Cameroun. Mandritra ny famaranana ny hetsika lehibe “Abidjan Capitale du rire” andiany fahavalo no anehoana azy an-tsehatra sy hanolorana azy ny amboara 4 000 Euros. Ny “Festival Abidjan Capitale du rire” […]

Andrarezin’ny hira malagasy : hotanterahina ny “Herinandron’i Gabhy”

Hotontosaina, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano David Jao­ma­noro, ny 24 febroary ka hatramin’ny 3 marsa izao ny hetsika “Herinandron’i Gabhy”, karakarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Fotoana hampahafantarana ity andrarezin’ny hira malagasy ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny famoahana sy fanolorana ny boky “Gabhy Kintan’ny Kanto”, vela-kevitra momba ny “Ny […]

Literatiora : mitohy ny hetsika momba ny fombam-pitenenana

Tontosa ny alarobia 1 febroary 2023, teny amin’ny Tranombokim-pirenena, ny ve­lakevitra momba ny teny malagasy. Lohahevitra ta­min’izany ny hoe “Ny fombam-pitenenana malagasy”, izay novelabelarin’i Sitraka Tanteraka Feno. Hisy foana ny hetsika sahala amin’itony ho fanatrarana ny tanjon’ny fi­ka­m­banana dia ny hanokatra sehatra ifanakalozam-pahalalàna mikasika ny kolontsaina sy ny literatiora ary […]

Hiditra amin’ny andiany fahatelo…: misokatra hoan’ny talenta marolafy ny “Festival Miaraka”

Rehefa mety ho sokajin-javakanto, hanentanana ireo mpanantalenta avokoa. Izay endrika fiarahana izay rahateo no lalantsaina voizin’ny “Festival Miaraka”… Hetsika hoan’ny forona maroloko, fanao isaky ny roa taona izy ity. Hotontosaina ny 3 hatramin’ ny 8 avrily ho avy izao ny andiany fahatelo amin’ny “Festival Miaraka”. Efa nanomboka ny fiantsoana ireo […]

Literatiora: Ezaka ny fampodin-kasina ny teny malagasy

Tontosaina anio, eny amin’ ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny velan-kevitra “Ny fombam-pitenenena mala­gasy”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Famoloana Te­lozoro, “Tanjona amin’izao ny hanokatra sehatra ifanakalozam-pahalalana mikasika ny kolontsaina sy ny literatiora ary ny teny malagasy eo amin’ ny samy mpanoratra sy izay liana amin’izany.” hoy i Si­traka Feno Tanteraka, izy izay hi­tondra […]