kolon-tsaina

Fakafaka: Harena ny zanaka !

Manomboka mitsingilaila ankehitriny io fahendrena malagasy io raha atao indray mitopy maso ny rindram-piarahamonina misy ankehitriny. Tsy ny endrika ivelany isehoan’ny fitiavan-janaka no tsy ananan’ny Malagasy intsony fa ilay fametrahana ny zanaka ho harena mihitsy. Harena ve ka hatao tsinontsinona ? Tsy ny fanipatsipazana ireo haingitraingitry ny tanora ho an’ny […]

IFM Analakely: hahazo ny anjarany ny ankizy amin’ny hetsika “Zaza mifety”

Latsa-danja ny hetsika ho an’ny ankizy, indrindra ny lafiny koltoraly eto Madagasikara. Izany indrindra no hisian’izao hetsika izao hanatrarana ny vinan’ny IFM amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina. Hotontosaina ny 25 fe­broary 2023 hatramin’ny 4 marsa 2023 ny “Zaza mifety”. Hetsika karakarain’ny Institut Français de Madagascar na IFM eny Analakely iarahany miasa […]

“Taom-baovao”: hiavaka ny taona ho an’ny IFM

Notontosaina ny asabotsy 28 jaoary 2023, ny “Taom-baovao” ho an’ny fianakaviamben’ny IFM na Institut Français de Madagascar. Fotoana nifampirariana soa sy nanaovana jery todiky ny taona lasa. Fotoana nampahafantarana koa ny drafitr’asa kolotoralin’ity ivotoerana ity ho an’ny taona 2023. Tonga maro nanome voninahitra ny lanonana ny fianakaviamben’ny IFM isaky ny […]

Filalaovana tantara : nodimandry i Ulick Andriamanantena

Feo miavaka ! Tantara mahasarika… Anisan’ny nahafantarana an’i Ulick Andria­manantena ireo. Fantatra fa nodimandry, omaly, ity andrarezin’ny kanto malagasy ity. Ny filalaovana tantara fandefa amin’ny Radio no tena nahafantarana azy. Saika nahenoina ny feony ny ankamaroan’ny Radio eto an-dRenivohitra mandefa tantara, Ankoatra izay, nanatontosa tantara maro ihany koa izy teo […]