kolon-tsaina

Nizara ny “Beko & Blues” : mitana ny maha matihanina azy ny tarika Mikea

Hita taratra ny traikefa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Seho matihanina, tsy latsa-danja tamin’ny fanaon’ny tarika Mikea tany ivelany ny seho natolotr’i Théo Rakotovao sy ny tariny, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Nihoatra betsaka aza ny natolotra, noho ny fitia nifamaly teo amin’ireo teny an-tsehatra sy ny mpijery. Vitsivitsy no namaly […]

Nandresy tamin’ny “Star Academy”: Nahazo 100.000 Euros sy famoahana rakikira i Anisha

Nofinofy tanteraka ho an’i Anisha. Rehareha kosa ho an’ny Malagasy manerana izao tontolo izao. Azony ny loka voalohany tamin’ilay fifaninanan-kira “Star Academy” andiany faha-10. “Hanova ny fiai­na- ­ko iny anjoria iny…” Sady nandohalika no latsa-dranomaso i Anisha raha niteny izany, ny alin’ny asabotsy teo. Izay ny fihetseham-pony voalohany, vantany vao […]

Literatiora sy Riva: hamoaka ny boky “Vahindanitra”

Tsy afa-misaraka ny “literatiora sy Riva”. Vao miresaka hoe Riva, mby ao an-tsaina avy hatrany ny riankalo, to­nonkalo, sombintantara sns. Haseho ny amboaran-kalo “Vahindanitra”… Ha­na­ta­ne­ra­ka seho sy hetsika famoaham-boky i Riva, ny zoma 2 desambra izao, amin’ny roa ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ano­sy, efitrano Dox. Hanentana izany seho […]