Fantatra nanomboka ny 11 janoary 2023, ny mpandray anjara miisa 10 hofidina ao anatin’ny fifaninanana “Concours d’affiche de sensibilisation 2022”, nokarakarain’ny CID na Communication Idea Development. Izy ireo izay voafidin’ny mpitsara tao anatin’ny 253 nandray anjara. Ao amin’ny tambajotra sosialy no handeha ny fifidianana, izay ahafahan’ny olona rehetra mandray anjara. […]
kolon-tsaina
Fakafaka: Mila fanahy i Madagasikara
Tsy ilay fanahy resahina any am-piangonana akory io fa ilay « fanahy maha olona » izay fantatry ny Malagasy tsara ny fisiany. Izany hoe, fahalalana fa tsy finoana eto no hofakafakaina. « Very fanahy mbola velona tahaka ny valala voatango », hoy ny Malagasy. Tsy afa-manao na inona na inona fa ilay elatra natao […]
TGC- Jaws Band –Meva Gospel: “Hatao hampiray ny Malagasy koa ny Fiderana”
“Tamatave Midera”. Ankoatra ny maha seho fiderana goavana azy, hanehoana firaisankina ihany koa ny hetsika. Hanomboka ao Toamasina ary kasaina hiparitaka manerana ny Nosy izany. Raha ho an’ny gospel manokana, anisan’ny hetsika goavana indrindra homanina ny “Tamatave Midera”. Nitondra fanampim-panazavana tetsy amin’ny Ethnika Analakely, omaly, ny solontenan’ireo mpanakanto sy ny […]
Tarika Didy Alfa : nodimandry i Telina
Tohina ny fon’ny rehetra, indrindra ny mpankafy raha nahare ny fahalasanan’i Telina na Razafindrabary Telintsoa. Ny marainan’ny asabotsy 14 janoary 2023 ity mpanakanto evanjelika ity no nindaosin’ny fahafatesana. Araka ny vaovao navoakan’ny tarika Didy Alpha, tampoka tanteraka izao fahalasanan’i Telina izao. “Izaho mbola tsy miova fa mbola tia anao foana […]
Kabary – Vanim-potoana manan-tantara : hosokafana ny faha-60 taonan’ny Fi.Mpi.Ma
Nambara nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary, notanterahin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), omaly, tao amin’ny Le Pavé Antaninarenina fa hosokafana ny 18 febroary izao ny faha-60 taonan’ity fikambanana zokiny indrindra eo amin’ny sehatry ny kabary ity. Eo amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Analakely no handrehetana ny fanilo miampita izay […]





