Amin’ny ankapobeny, mizara roa ny hira na ny gadonkira faheno andavanandro. Ny mihetsiketsika sy ny milamindamina. Niainga teo amin’ny taona 2000, nihazakazaka be ny fivelaran’ny hira mihetsika raha ny mifanohitra amin’izany ny hira milamina… Kanefa, maro mpitia izy io ! Nandritra ny fampisehoana «Mandrapihaona» notontosain’i Voahangy tao amin’ny CCEsca Antanimena […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Hivoaka rahampitso ny “Tantara taloha”, hiran’i Rak Roots. Hira efa noforoniny tamin’ny taona 2017 izy ity, izay havoakan’ny tarika natsangany, ho fanomezam-boninahitra ity mpanakanto ity. Tokony hankalaza ny faha-32 taonany rahampitso mantsy i Rak Roots, ka rariny loatra raha hampifanojoana amin’ izay ny fivoahan’ity hira ity. Fanombohana ihany, fa hisy […]
Taona 2025 : hanampy ny mpanao klasika ny Madagascar Mozarteum
Anarana tsy afaka miala eo amin’ny fampiroboroboana ny mozika klasika eto Madagasikara ny Madagascar Mozarteum izay mandia ny faha-14 taonany ankehitriny. Tafiditra ao anatin’ny tanjona tratrarin’izy ireo, ny hanome tosika ireo mpanakanto na tarika miangaly mozika klasika, ny taona 2025. Afaka mandefa ny momba azy sy ny fandaharam-potoanany, amin’io taona […]
Fitetezam-paritra : Any Antsirabe indray i Bodo
Taorian’ny tany Mahajanga, nivoaka kely tany Toulouse, Frantsa, i Bodo. Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ho an’ity mpanakanto ity. Fantatra fa hihazo an’Antsirabe indray izy, ka hanao fampisehoana ao amin’ny Arotel, ny zoma 25 oktobra izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Efa elaela no niandrasan’ireo mpankafy ao Antsirabe an’i Bodo, ka […]
« Festival Thrillers » : tanjona ny hanome sehatra ny karazan-javakanto mampatahotra
Raha ho an-dry zareo ivelany, efa manana ny toerany ny karazan-javakanto mampatahotra. Maro ny Malagasy mpanakanto efa mahafehy ny famokarana sy fanatontosana zavakanto ao anatin’io karazany io. Izany indrindra no antony hisian’ny hetsika ho fanomezana sehatra azy ireny. Hotanterahina eny amin’ ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba ny 26 hatramin’ny […]