kolon-tsaina

Tenindreny : Ahavitana fikarohana ny teny malagasy

21 febroary, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ». Hanamarika azy io ny Oniversiten’Antananarivo, Zanatsehatra Malagasy (Ivon­toeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary ny Malagasy (Itazoma)/(Ciram) ). Hiompana amin’ny lohahevitra « Teny malagasy, ahavitana raharaham-pikarohana». Hisy ny velakevitra mifanitsy amin’io lohahevitra io, hotanterahin’ireo mpampianatra eny an-toerana. Anisan’izany Rabe­nilaina Harinia, profesora fakioliten’ny EGS, […]

Ikalalila : Namoaka ny « Domoina »

Tsy rakikira feno fa ampahany ihany ny « Domoina ». Ampy hahenoana, hahalalana, hankafizana ny sangana­san’Ikalalila anefa izany. Hira 6 hanehoan’ity mpanakanto ity ny aingam-panahiny sy ny fironany amin’ny mozika, hozarainy amin’izay liana manomboka anio, amin’ireo vovonam-panjifana mozika maromaro. Tsy namoaka hira satria izany ny fanao, fa mizara aingam-panahy narahina forona sy […]

TARATRY ny KANTO

Rehefa tojo ny hafahafa, mihiratra ihany ny maso. Manomboka mipoitra matetika any anaty tambanjotran-tserasera maro ireo endrika heverin’ny Malagasy fa manimba ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Iharan’izany tsy miato ny tontolon’ny hira. Tonony, feony, sns, samy tsy misy fotony (fototra) avokoa. Taitra sy mifoha ilay maha Malagasy, saingy, toa […]

« Ifalio ny maraina » : Amboaran-tononkalon’i Joely Kely

Eny, poeta i Joely! «Ta­lohan’ny naha mpanao gazety, talohan’ny naha humoriste, dia mpanoratra tononkalo no nahafantarana ahy. Poeta», hoy ny nambarany. Saingy izao vao feno fepetra amoahany boky. «Ifalio ny maraina», mirakitra ireo tononkalo nosoratan’i Andrianina Ra­joelisoa, fantatry ny maro amin’ny hoe Joely Kely na C’est du Joely, izy ity. […]