Mila fanavaozana hatrany ny fitantanana sy fikajiana ireo harembakoka. Anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny iraisam-pirenena ny fitaleavana misahana ny harembakoka eto Madagasikara. Nandray ireo frantsay manam-pahaizana momba ny harembakoka ny tale misahana ny harembakoka, Lahiniriko Denis Alexandre, teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra, omaly. Nitarika ny delegasionina i Jean Luc Martinez, ambasadaoro manokana […]
kolon-tsaina
TARATRY NY KANTO
« Haitsikerana sarimihetsika: Tsy doka na kiana be fahatany ». Io ny lohahevitry ny velakevitra izay hotontosaina ny alarobia 4 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika izany i Aina Randrianatoandro, iray amin’ireo niofana manokana momba ny haitsikerana sarimihetsika, izay mbola vitsy mpanao eto amintsika. Misokatra […]
Fikambanana Zanak’Imamo : Omena ainga vao ny tanànan’Arivonimamo
Tontosa ny sabotsy 24 janoary, tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina Arivonimamo ambonivohitra, ny fanavaozana sy fifidianana ny birao hitantana ny Fikambanana Zanak’Imamo mandritra ny 3 taona. Nanome toky ireo birao vaovao, tarihin-dRandimbiarison Herizo, fa hiezaka hanao izay tratry ny heriny izy ireo hitondra ainga vao ho an’ny tanànan’ Arivonimamo ary […]
« Mandrakizay Doria » : Sarimihetsika mampifandray ny taloha sy ny ankehitriny
Tsy toy ny sarimihetsika malagasy saika mahazatra… Teo amin’ny fanoratana sy ny fanatontosana dia efa tsapa ny ezaka hanome endrika vaovao ny sarimihetsika malagasy, ao anatin’ny « Mandrakizay Doria ». Mipetraka ho tsipi-panohizan’ny tantara taloha sy ny ankehitriny ny vokatra. Ny 13 febroary 2026 izao no handeha voalohany anaty efitrano […]
Hiragasy goavam-be : Samy sangany no nifanandrina
Tarika Ramaroson Soanieranabe nifanandrina tamin’ny tarika RaEmilison Tsimakalagy avy any Arivonimamo. Nifandanja ny andaniny sy ny ankilany. Izay no nahitan’ireo mpijery ilay adin-kiragasy, tetsy amin’ny Kianja RaPetit Ampefiloha, omaly. Samy nitondra sy naneho ilay nahafantaran’ny olona azy hatramin’izay ny tarika tsirairay. Samy nahatazona ny fifantohan’ny mpijery ihany koa. Tarika RaEmilison, […]




