Taratra

TSELATRA

Mpangalatra bisikileta voasambotry ny polisy teny Anosizato, ny alin’ny alahady teo tamin’ny 8 ora. Mody nanontany ilay mpanao taxi-bisikileta izy kanjo nodarohan’ny tampoka. Nokasainy alaina ny fitaovam-pitanterana saingy voasambotra tsy lavitra izy. Roa lahy mpamaky trano sady efa mpameri-keloka voasambotry ny polisy miasa ao Betafo, ny 2 janoary teo. Nahatrarana […]

Mahajanga : 20 lahy nosam­borin’ny polisy

Mpanao sinto-mahery, fanendahana sy fandrobana mampiasa fitaovam-piadiana miisa 20 lahy nosamborin’ny polisy tao Mahajanga, nandritra ny faran’ny taona sy ny 1 janoary lasa teo. Nanao fisafoana alina sy nanamara-maso ny filaminan’ny tanàna ireo polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Central ao an-toerana. Nivezivezy tamin’ireo toerana hifamezivezen’ny mpiala sasatra sy mahavory olona […]

SOMBIM-BAOVAO

Hifandona eo amin’ny lalao ampahefan-dalan’ ny Can 2025, i Maroc, mpampiatrano sy i Cameroun. Raha tsiahivina, lavon’i Maroc, nandritra ny lalao ampahavalon-dalana, 1 no ho 0, i Tanzania, ary resin’ny eki­pa nasionalin’ny kameroney, 2 no ho 1, i Afrika Atsi­mo. Azo heverina ho toy ny famaranana tanteraka ity lalao ity, […]

Federasionina Malagasin’ny Atletisma (FMA) : Hatao amin’ny 13 febroary ny fifidianana

Hanamarika ity taona 2026 ity, ny fifidianana izay ho mpitantana eo anivon’ny ligy sy federasionina, ho an’ny taranja atletisma. Araka ny tetiandro navoakan’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), hotanterahina ny zoma 13 febroary ho avy izao, eto Antananarivo ny fifidianana izay ho filoha hitantana indray ny federasionina malagasy […]