Taratra

Ahina ho lasan’olon-dratsy: Ankizy roa lahy karohin’ny fianakaviany

Zaza varira 7 taona antsoina hoe Fabien ny iray amin’ireo roa tsy hitan’ny fianakaviany nanomboka ny harivan’ny alatsinainy 14 septrambra lasa teo, tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina ambanivohitra Satrokala, distrikan’Ihosy. Anadahin’ny renin’io zaza io i Saka, ankizilahy 16 taona tsy hita faharoa izay mpianatry ny CEG. “Tse­na aty aminay io […]

Anjanahary : Lehibena mpanendaka lavon’ny polisy

Nipoaka ny basy tetsy amin’ny Cimetière Anjanahary, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Lehilahy iray malaza amin’ny asa fanendahana no lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny ekipan’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) manao fanamiana sivily. Tratra teo am-panendahana mpandalo ny andian-jiolahy maromaro ka nosamborina avy hatrany. Nikasa […]

Nitsahin’ny kamiao : Lehilahy tra-doza notapahina ny tongony

Tsy maintsy notapahina avy hatrany hisorohana ny mety hitaran’ny fiparitahan’ny mikraoba ny tongotry ny tovolahy 37 taona izay voahitsaka kamiao tsy nahy tao anatin’ny faritry ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly. Nandriaka ny ra tao amin’ny faritra tsy lavitry ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly hariva ta­min’ny 5 ora sy sasany. Mpiasa an-tselika misahana […]

Kamiao nifaoka moto: Mpianaka niara-maty, miady aina ny reniny

Nifatratra tamin’ny mpitondra moto ny kamiao iray tao Soamiandalana, kaominina Talata Volonondry, omaly hariva. Namoy ny ainy ny zaza iray anisan’ireo nitaingina moto. Zazavavy vao roa taona monja maty tsy tra-drano nandritra ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Soamiandalana, kaominina Talata Volonondry, omaly ha­riva. Kamiao avy any Anka­zon­dandy nikasa hihazo ny Renivohitra […]

Handball – “Can U17” vehivavy: Resin’i Angola ny Akion’i Madagasikara

Ratsy fanombohana ny Akion’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy zandriny. Niondrika teo anatrehan’i Angola, tamin’ny isa 22 no ho 12, ny tovovavy malagasy. Fihaonana notanterahina omaly, tao amin’ny Kianja Oran Algerie. Nifan­danja ny lalao teo amin’ny roa tonta, saingy nanantombo teo amin’ny fahazarana lalao […]