Taratra

TSELATRA

Nametraka fitoriana any amin’ny polisy ny fianakavian’i Chaydi, ilay mpihira nodimandry ny talata teo, rehefa avy namonjy fankalazana tsingerin-taona nahaterahana teny Ampitatafika. Nampiahiahy ny fianakaviana ny fahafatesany ary heverina ho fanapoizinana niniana natao. Miandry ny fanadihadiana mahakasika io raharaha io izy ireo. Nidona tamin’ny fefin-dalana iray akaikin’ny tobin’ny Tafika Malagasy […]

Lozam-pifamoivoizana tetsy By Pass : Voasazy 24 volana ilay sinoa niavian’ny tranga

Nivoaka omaly ny didy mahakasika ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona efatra tetsy By Pass, ny alin’ny alarobia 1 mey lasa teo. Voasazy higadra, sazy mihatra, 24 volana an-tranomaizina, miampy lamandy iray hetsy ariary ilay teratany sinoa nahatonga ny loza. Mandoa onitra 40 tapitrisa Ariary ho an’ireo zanaky ny maty kosa ny […]

Anosizato sy Ampefiloha : Lehilahy roa tratra nanao hala-boty

Vaosambotry ny polisim-pirenena tetsy Anosizato sy Ampefiloha, omaly, ny lehilahy roa. Tratra nanao hala-boty sy sinto-mahery ary harom-paosy izy ireo. Jiolahy iray nisintona ny kitapo sy findain’ny mpitondra moto iray tetsy Anosizato, omaly tamin’ny 01 ora tolakandro. Nanararaotra ny fitohanan’ny fifamoivoizana nisy teny an-toerana izy, ka nisintona ny kitapo sy […]

Haintrano sy haintany : Orinasa iray ravan’ny afo inefatra miantoana

Miditra amin’ny maintany ny ankamaroan’ny faritra eto Madagasikara. Mahazo vahana sahady ny haintrano sy ny doro tanety. Tranga nampihoron-koditra, omaly, tao Toamasina, orinasa lehibe no inefatra ravan’ny afo hatramin’ny 2019. Nahazo antso mahakasika firehetana ny vondrona mpamonjy voinan’ny kaominina an-drenivohitra Toamasina, tamin’ny 03 ora maraina. Tonga teny an-toerana avy hatrany […]

Asa sy fampananana asa ao Toamasina : Ambony ny tahan’ny asa tsy manara-drafitra

Faritra iray azo lazaina ho ambony amin’ny tahan’ny tsy fananana asa manara-drafitra ny any amin’ny faritr’ Atsinanana. Amin’ ny ankapobeny, ambony ny tahan’ny olona miasa-tena, afaka mitady vola ivelomana isan’andro. Anisan’ny angom-baovao notrandrahina nandritra ny fitokanana ny birao hisahana ny asa sy fampiofanana arakasa, ny 11 aogositra teo, tao Tanambao […]