Nitombo ho adiny 4 ny delestazy teto an-dRenivohitra, omaly. Nandritra ny andro maraina hatramin’ny hariva, nitety ny faritra samihafa, satria nokendrena tsy ho ao anatin’ny fotoana nanatanterahana ny lalaon’ny Barea, nandeha tamin’ny fahitalavitra. Nimenomenona kosa anefa ireo mpamokatra, mpampiasa herinaratra satria potika ny fihariany. Tonga eto amintsika ny iraky ny […]
Taratra
Entana eny an-tsena : Nilatsaka ho 450 Ariary ny vidin’ny atody
Nahitana fihenana indray ny vidin’ny atody amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao teny Ambohijatovo, omaly, nilatsaka ho 450 Ariary ny kely indrindra amin’izany ankehitriny, raha toa ka 600 Ariary izany teo aloha. Ny lehibe kosa, lasa 650 Ariary raha nojifaina 850 Ariary tany aloha. Nambaran’ireo mpivarotra fa rehefa mafana […]
« FIA 2025 »: Fihaonamben’ny famokarana
Nisokatra omaly, 4 hatramin’ny 7 septambra, eny amin’ny CCI Ivato, tamin’ny fomba ofisialy, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (FIA), andiany faha-7. Miaraka amin’io hetsika io koa ny Festival iraisam-pirenena ho an’ny fandrahoan-tsakafo (FIGA), andiany voalohany. Mifameno rahateo ireo roa ireo, satria ho hita amin’ny […]
Fahavitan-tena ara-bary: Mifameno ny vary safiotra sy ny maroanaka
Teknika fambolem-bary samy manan-danja ny voly vary maroanaka (SRI) sy ny fampiasana vary safiotra. Mifameno ireo, ary samy mihoatra ny 8t/ha ny vokatra azo. Noraisin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny alarobia 3 septambra teo, ireo fikambanan’ny mpisehatra amin’ny voly vary maroanaka. Nifantoka tamin’ny fampiarahana ny […]
INDRAY MIJERY
Mbola sakana amin’ny ady amin’ny famarinan’olombelona ny tahotra mitoroka. Maro ny antony tsy ahasahian’ny olona manao izany, indrindra ny mety ho fitsaram-bahoaka ataon’ny fiarahamonina. Eo koa ny tahotra ny hifotoran’izany sy ny fahafaham-baraka… Nampitandrina ny amin’ny mety ho fahabetsahan’ny rotsakorana any amin’ny faritra avaratra sy afovoany atsinanan’ny Nosy, ny sabotsy […]




