Taratra

Fasan’ny karana sy Ampasapito: Lehilahy roa tratra teo am-panendahana

Misesisesy ny fisambo­rana olon-dratsy eto Antana­na­rivo tato ho ato. Lehilahy roa indray voasambotry ny polisy noho ny resaka fanendahana sy hala-boty, omaly. Tratran’ny polisy tetsy Ampasapito ny lehilahy iray tamin’izy ireo, omaly tamin’ny 8 ora sy sasany. Vao avy nanendaka mpandeha an-tongotra izy io ary saika lasany tamin’izany ny poketra […]

Mpiara-miasa amin’ny dahalo : Lehilahy iray nahatrarana basy

Mitohy hatrany ny fanenjehana ireo olon-dratsy mampanofa basy sy miray tsikombakomba amin’ny dahalo. Voasam­botry ny zandary ny lehilahy iray monina any Antsingila, fokon­tany Tsiazompaniry, kaominina Ambanivohitra Sabotsy Nama­toana, ny herinandro lasa teo. Tratra izy io taorian’ny vela-pandrika nataon’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Behenjy. Nahitana basy vita tanana, mirefy 25 […]

Sprinter niala ankizy nilalao bisikileta: Namoy ny ainy ny mpamily ny fiara, ankizy roa naratra

Tsy tana ny ain’ilay mpamily fiara sprinter mpitatitra entana iray, niharan-doza tetsy Ankadikely, afakomaly. Ankizikely roa naratra ary mbola tsy mahatsiaro tena ny iray amin’izy ireo hatramin’ny omaly. Niharan-doza tetsy amin’ ny lalana kaominaly vao an-dalam-panamboarana, mampitohy an’Anta­nandrano sy Ankadikely, ny fiara Sprinter fourgon iray, afakomaly hariva tamin’ny 5 ora. […]

Raboussa: Mbola tompon’ny rap gasy

Tsy tokony hisy adihevitra intsony… Mbola Raboussa irery, hatreto, no mpiangaly ny rap gasy nameno ny La­pan’ny fanatanjahantena Ma­hama­sina. Tsy voalohany izany, sain­gy mbola noporofoiny indray fa anisan’ireo mpanakanto sangany, be mpankafy ary tompon’ny rap gasy ny tarika. Tsy nisy no­diavina ny lapa, rakotr’ireo mpankafy izay efa misy sokajin-taona samihafa. […]