Niantso ny mpitondra hiala amin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-karena ny hafatry ny eveka tany Morondava, ny alahady teo. « Ampiasaina hoentina mitia sy manompo ny mpiara-belona ny fahefana fa tsy ho amin’ny fitiavan-tena », hoy izy ireo. Tsiahivina fa naharitra telo andro ny hetsiky ny vovonan’ny olon-dehibe, eo anivon’ny Ekar. Hiompana eo […]
Taratra
Praiminisitra Ntsay Christian : « Tsy kisendrasendra ny fahombiazana »
Nitondra fanazavana ny momba ny fanatanjahantena sy ny lafiny kolontsaina ny praiministra Ntsay Christian, omaly, tamin’ny fananganan-tsaina teny Mahazoarivo. « Tsy kisendrasendra no nahazoana fahombiazana tahaka izao, ka isaorana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ ny vina ananany momba ny tanora sy ny fanatanjahantena. Eo koa ny fanohanany manokana ny Barea […]
Mijinja izay nafafy
Hafa raha samy hafa ny fihodin’ny tantaram-piainana ho an’ny mpilalao sy ny ekipa teknikan’ny Barean’i Madagasikara, vao nahazo ny maha tompondaka lefitr’i Afrika. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, lasa mpanefoefo sy « ngahy ndriana » kely ry zalahy. Hahazo villa amin’ny tanàna raitra dia raitra, mbola nomena volabe tamin’ny baoritra nentina nody, […]
Justice et Paix : « Ilaina ny mangarahara ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna »
Nahitsy ny eo anivon’ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix, eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), amin’ny hafatra nampitainy, indrindra ny momba ny fiainam-pirenena «Izao fotoana izao indrindra no ilana apetraka ny mangarahara ao anatin’ ny fanjakana tan-dalàna», hoy ny hafatry ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka eto […]
TSELATRA
Bevohoka 23 herinandro mahery ny ankizivavy 13 taona, naolan’ny tovolahy 21 taona, tetsy Lohanosy, kaomininina Ambohijanaka, ny volana marsa lasa teo. Havany ihany ity ankizy naolany ity. Nosamborina avy hatrany io tovolahy io ary miatrika fanadihadiana eny amin’ ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava. Teratany kaomorianina iray maty notsindromin’ny mpiambina […]




